Free People's mission

Jesus Christ is the same yesterday, today and forever. Heb.13.8

Language:

Kristy Dia Voambara ao Amin’ny Teniny Ihany / William Branham

Language: Malagasy

Other languages




KRISTY DIA VOAMBARA AO AMIN’NY TENINY IHANY

 «Christ Is Revealed In His Own Word»
22 Aogositra 1965, maraina
Jeffersonville, Indiana, ETAZONIA


Hanondrika ny lohantsika isika. 

Jesosy Tompo ô, Ianao ilay Mpiandry ondry andiany maro, dia izahay izay anananao trosa loatra, izay tsy mba ho voaloanay, noho ny fitiavana narotsakao be dia be tao amin’ny fonay. Mahatsiaro tena ho tsy mendrika izahay raha manondrika ny lohanay, ka manatrika Anao. Mangataka Aminao izahay hanadio anay amin’ny fahadisoana sy ny fahotana rehetra. Miangavy Anao izahay mba hanome hery anay ho an’ny tenanay anio. Maro no marary sy ory: porofon’izany ireto mosoara ireto sy ireo fangataham-bavaka voaray avy etsy sy eroa amin’ny telefaona.

Ary mino izahay fa eo am-pamaranana ny tantaran’ity tontolo ity izahay izao. Tsy ho ela dia hitambatra ao amin’ny mandrakizay ny fotoana, ka te-ho vonona amin’izany ora izany izahay. Koa raha vory eto izahay izao maraina izao, dia satria te-hiomana amin’izany fotoana izany. Ary nolazaina tamiko fa izao maraina izao, dia maro ireo olona mifandray aminay amin’ny alàlan’ny telefaona manerana ny firenena, hatramin’ny morontsiraka atsinanana ka ka hatramin’ny morontsiraka andrefana. Handray fitahiana anie ireo vondron’olom-bitsy rehetra izay hahatongavan’ny feonay; sitrano ny marary eny anivon’izy ireny. Ary mangataka Aminao aho mba hanadio ny fanahiny amin’ny ratsy rehetra. Ary ampio izahay ato amin’ny Tabernacle, ho afaka hifaly noho izany tombontsoa lehibe izany.

Izao maraina izao, dia mangataka Aminao izahay mba hiresaka aminay amin’ny alàlan’ny Teninao; Ny Fanahy Masina anie hanambara aminay izay rehetra ilainay, raha tafangona izahay manerana ny firenena manontolo, mahatsapa-tena ho vahoaka vitsy, kanefa manan-toerana anivon’ireo voavonjy, satria nino an’i Jesosy-Kristy izahay.

Omeo anay izany rehetra izany, Tompo ô, ary rehefa hifarana izao fivoriana izao, ka hamonjy ny fonenanay tsirairay manerana ny firenena avy izahay, aoka anie izahay ho afaka hiteny toy ireo tany Emaosy hoe: «Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy?» 

Fa izao, Ray ô, fantatro fa tsy ho ampy mihitsy izay mety ho voalazako. Izany dia tsy ho sahaza mihitsy ho an’ireo kristiana mendrika ireo, izay mihaino anay manerana ny firenena. Tsy izay mety holazaiko no afaka hitondra soa ho azy ireo, satria sokajy iray ihany izahay rehetra. Samy olombelona; ary samy mety maty izahay; kanefa aoka ny Fanahy Masina be voninahitra no handray ny Teny ka hanambara ny Tenany fotsiny Izy. Manantena Azy izahay izao, amin’ny Anaran’i Jesosy. Amena. 

Mahazo mipetraka ianareo.

Somary gaga ihany aho amin’ny tenako. Niteny tamin’ny vadiko aho (mety mihaino ahy izy izao any Tucson) fa tsy nihevitra ny hanao fivoriana aho rehefa miverina, ary tsy nitondra akanjo akory (ho amin’izany). Nipasoka ny palitaoko ny vinantovaviko, ka hoy aho taminy: “Na manao ahoana, aorian’ny polipitra aho no mijoro, ka tsy hisy hahita na mifanaraka na tsia ny palitao sy ny pataloha. Ka ireo pataloha fanaoko an-trano ihany dia mety tsara. Medà koa efa nipasoka ny somiziko. Ka milamina ny zavatra rehetra; fa aza misahiran-tsaina ianao.”

Misy fangatahan’ny rahalahy malala iray ity eto ity izao. Mino aho fa mihaino antsika izy izao, any Prescott, Arizona. Raha ny fahazoako azy, dia teny an-dàlana hankaty hamonjy ny fivoriana ny rahalahy Coggins, rain-dranabavy Mercier, no nihetsika aretim-po, ka voatery nentina tany amin’ny hopitaly. Ao koa ny rahalahy Junior Jackson; Mino aho fa mihaino amin’ny telefaona izy, any Clarckville na any New Albany. Raha azoko tsara, ny rainy dia any amin’ny hopitaly, vao natao fandidiana homamiadan’ny àty. Ho tsaroantsika izy ireo mandritry ny hivavahantsika. Misy hafa koa, fa tsy te-handany fotoana loatra isika. Fantatr’Andriamanitra ny mikasika ny tsirairay. Ka hivavaka ho azy ireo àry isika.

Andriamanitra malala indrindra ô, mahatsiaro an-drahalahy malala Coggins izahay, io maintimolalin’ny fitoriana ny Filazantsara io, izay mandry any-ho-any, amin’ny hopitaly izao maraina izao, miharitra fihetsehan’aretim-po. Niharitra fahoriana maro ny fony; Andriamanitra ô, miangavy Anao hanampy azy izahay. Omeo izany. Toa anay rehetra, dia tia ny fiainana izy, ka te-ho velona. Ekeo izany, Tompo Andriamanitra ô! Manerana ity firenena ity izahay no mangataka ho azy Aminao, amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy, mba hanasitrananao azy sy hamoahanao azy tao. Mino izahay fa ho tanterahinao izany ka hiverina eto amin’ny fivoriana izy.

Mivavaka izahay ho an’ny rain-drahalahy Jackson. Efa ambavahaona izy izao. Kanefa izy dia niteraka zanakalahy mahafinaritra toa an-drahalahy Junior. Miangavy Anao aho mba hanasitrana azy, ry Andriamanitra malala ô! Fantatro fa toy ny tsy azo heverina izany. Tsy mahita hatao intsony ireo dokotera amin’ny tranga toy izany. Kanefa tsaroanay ny rahalahy Hall izay nolazain’ny dokotera mahay indrindra teto Louisville fa “tsy misy afa-tsy ora vitsy sisa no iainany“. Homamiadan’ny àty no nahazo azy, dimy amby roapolo taona lasa izay. Kanefa ankehitriny dia velona izy noho ny Famindramponao. Koa, amin’izao Tompo, velomy ny rahalahy Jackson. Homba azy anie ny Fahasoavanao.

Ary ireto antonta-mosoara sy akanjo ary zavatra hafa misavovona be, napetraka eto mba ivavahana. Fantatrao izany rehetra izany, Ray ô. Miangavy Anao aho mba hanome fahasitranana ho azy rehetra. Amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy. Amena.

Tamin’ny Alahady lasa aho dia tsy nihevitra fa ho tonga eto izao maraina izao. Kanefa nambaranay izany tato aoriana, ka tonga aho. Naniry ny hitenenako ny rahalahy Neville, ka nambaranay fa ho eto aho androany, saingy tsy voalaza tamin’ny olona manerana ny firenena izany. Fa isika moa manana itony fomba mampiasa telefaona itony izay tena tsara. Afaka manaraka ny fotoana ny olona any an-tranony, na mivory amin’ny toerana iray, na ao am-piangonany. Ankasitrahako izany.

Hitako eto izao fa misy fangatahana maro mikasika izay nolazaiko tamin’ny Alahady lasa. Adinoko ny lohatenin’ilay hafatra. Fa niteny aho mikasika ny fanefanareo ny trosanareo. Hainareo moa, matetika dia maro ny olona no diso fandray izay voalaza? Tsy iniany atao akory izany, fa tsy azony fotsiny ny dikany. 

Ohatra, hoy ny anankiray hoe: “Tsy azo atao ve ny mividy fiarakodia?” 

Kanefa tsy miteny izany Jesosy ao amin’ity Baiboly ity raha milaza hoe: “Aoka tsy hisy olona hanan-trosa aminareo“. Trosa mitarazoka fanefana, kanefa azonareo efaina ihany no resahina eto. Efao ireny. Izany no dikan’io hoe “Tsy ananan’olona trosa. Tsy midika izany fa… Mazava ho azy fa tsy maintsy mandoa ny ofan-tranontsika isika, ny telefaona sy ny sisa rehetra. Trosantsika ireny, ka tsy maintsy efaintsika. Fa raha nitarazoka ela ny trosanareo, nefa azonareo efaina ihany, dia efao. Azonareo? Aza avela mihantona eo amboninareo ny zavatra toy izany.

Tsaroako indray mandeha, fony aho mbola tanora, dia narary. Rehefa nivoaka ny hopitaly aho nananan’olona trosa roa arivo dolara. Ary anisan’izany ny mpivaro-panafody iray, Atoa Swaniger izay nanana roanjato na telonjato dolara tamiko, vidim-panafody. Tsy nahafantatra ahy akory izy. Nanatona azy aho. Tsy nahafantatra azy aho. Kanefa nandefa ireo fanafody tamiko ihany izy; tsy mba nandà nandefa izany izy. Dia hoy aho: “Anananao trosa aho.“ Tsy Swaniger ilay izy, raha ny marina, fa Atoa Mason, izay teo amin’ny fisampanan’ny làlana Court sy Spring. 

Hoy aho: “Anananao trosa aho. mbola tena reraka mafy aho izao, kanefa hiezaka handeha hiasa. Koa raha tsy afaka mandoa vola aminao aho…“ Vao niova ho kristiana aho tamin’izay, dia hoy aho: “Voalohany aloha, Andriamatoa Mason, manana adidy amin’Andriamanitra aho, ananany ny fahafolonkareko aho. Te-hanefa Aminy ny fahafolon-kareko aloha aho. Manaraka izany, ny adidiko faharoa dia ny manefa ireo trosako. Kanefa ny raiko marary, ary ankizy folo izahay ao an-trano. Tsy afaka hanome anao aho, mihoatra ny dimy amby roapolo cents isaky ny mandoa. Ary raha sendra ka tsy afaka handoa ireo dimy amby roapolo cents ireo aho, dia ho tonga hilaza izany aminao.“ Kanefa, noho ny fitahian’Andriamanitra, dia voaefa manontolo izany. Hitanareo? Izany no tiako lazaina..

Oh, indray mandeha, nisy kristiana iray tato amin’ity fiangonana ity nampanamboatra fiarakodia. Hoy izy hoe: “Haloako ny volanareo. Amin’ny Asabotsy aho mandray karama,” na zavatra mitovy amin’izany, kanefa tsy mba nandoa izany izy. Nivalona ny herinandro maro, fa tsy mba nanefa izany izy, ary tsy mba nanisy resaka mikasika izany. Ka tonga tamiko ilay olona nanontany… Hitanareo? Vavolombelona ratsy ho an’ny fiangonana ny toy izany. Vavolombelona ratsy ho an’i Kristy izany. 

Raha tsy afaka mandoa ianao, andehana milaza aminy hoe: “Anananao trosa aho, ary haloako izany. Kristiana aho, saingy tsy afaka mandoa aho izao. Tsy maintsy haloako io.” Ary tsarovy fa voasoratra any amin’ny bokin’Andriamanitra izany. Na izaho aza dia miezaka ho vonona, ary isika rehetra dia miara-miezaka ho vonona, satria fantatsika fa manatona fisehoan-javatra iray isika. Te-ho vonona isika noho izany. Antomotra loatra ny Fiavian’ny Tompo, ka te-ho vonona isika ho amin’izany ora be voninahitra izany.

Satria te-hiomana isika, dia hiresaka mikasika ny lohahevitra kely iray, izay nofidiko aho, araka izay hitahian’ny Tompo izany, izao maraina izao. Ary hafoheziko araka izay azo atao ny teniko, noho ireo olona mihaino an-telefaona. Manantena aho fa tsara andro tahaka anay aty Indiana ianareo rehetra manerana ny firenena izao maraina izao. Hatramin’ny norotsahan’ny orana dia tsara sy mangatsiatsiaka, ary mahafinaritra ny andro.

Izao ary aho dia te-hamaky ao amin’ny bokin’ny Hebreo, toko voalohany, sy ao amin’ny bokin’i Jaona, toko voalohany. Hebreo 1:1 sy Jaona 1:1. Izany no lahatenintsika. Fandinihana Soratra Masina no ataoko izao maraina izao. Vakintsika izao ny Hebreo 1:1. 

«Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa, dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny Teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo»

Tsara loatra izany vakiteny izany! Izao, andao ho vakina Jaona 1:1 

«Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.»

Fa ny toriteniko izao maraina izao dia: “Kristy dia voambara ao amin’ny Teniny ihany.” Ny nahatonga ahy hitory izany dia satria fantatsika fa tsy hiteny fe-hiteny aho noho isika tafavory, hitsikera zavatra fotsiny, fa kosa hanampy ny olona hitoetra tsara izany. Satria mantsy, hamakivaky rano mahatahotra sy mamitaka isika. Efa an-tsambo ambonin’ireo sahady isika. Ary indraindray tsapako fa, amiko sy aminareo, toy izany loatra ny fandehan-javatra, ka mahatahotra.

Vao avy niresaka vetivety tamin’ny mpitandrina tanora iray sy ny vadiny aho teo, tao an’efitrano. Samy mora taitaitra izy roa, toy ny rehetra amin’izao-tontolo-izao, ny zanakolombelona rehetra ambonin’ny tany. Hoy aho: “Aza adino fa Satana dia manana tahirin-tetika amelezany anareo.” Tsy ahoany iza ianareo, izy rahateo manana zo hamely totohondry anareo. Totohondry toy ny inona àry no tianareo? Ho jamba, sa halemy eo ambony seza, sa hatahotra lava? Hitanareo? Misy faritra iray ahazoany mamely anareo. Manana zo hanafika io faritra tsy voaàro io izy. Ka io faritra io no tsy maintsy arovanao tsy an-kiato.

Jereonareo ny fahataitairan’ny vanim-potoana iainantsika. Ataoko fa ireo horonampeo noraisina tamin’ny herinandro lasa dia hampiseho anareo ireo zava-doza lehibe izay ho resahintsika rehefa manam-potoana ampy isika. Ho resahintsika ny fanambaran’ireo lovia fito izay haidina etỳ ambonin’ny tany sy ireo kotrokorana fito, ary koa ireo fahitana horohoro ho tonga amin’ny tany.

Fahataitairana mahatsiravina no misy amin’ny olona rehetra ankehitriny, izao-tontolo-izao mihitsy. Raha namaky ny Reader’s digest tamin’ny volana lasa teo ianareo dia ho nahatsikaritra ny mikasika an’i Billy Graham, ilay evanjelisitra malaza. Reraka loatra izy, ka tsy afaka nanao fivoriam-bavaka intsony fotsiny izao, ary voatery niditra ny tobim-pitsaboana Mayo izy, mba itiliana ny toe-pahasalamany. Ary hita fa tsy naninona izy, saingy fotsiny tsy ampy fampiasam-batana. Dia nasaina nihazakazaka izy, iray kilometatra sy sasany isan’andro izy. 

Ary ny tohin’ny lahateny dia nilaza fa voaporofon’ny siansa fa ny tanora, ireo zazalahy sy zazavavy kely ireo dia hisasaka ny andro hiainany eo amin’ny faha roapolon’ny taonany. Ary ho maro ny ankizivavy hitsahatra fadimbolana mialoha ny faha-dimy amby roapolon’ny taonany.

Tsy haiko raha fantatrareo na tsia fa, andro vitsivitsy lasa izay, raha niteny teto amin’ny fivoriana ny Fanahy Masina, nisy tovovavy teo izay nambaran’ny Fanahy Masina fa izany mihitsy no tsy nety taminy. Indroa miantoana aho no nizaha azy, ary tamin’ny fanindroany dia hitako izay tsy nety taminy. Dia nieritreritra aho: “Sarotra heverina izany, tanora loatra ilay ankizy.” Kanefa dia izay ilay izy: fitsaharan’ny fadimbolana. Teo anelanelan’ny roapolo sy telo amby roapolo taona izy tamin’izany. Hitanareo?

Sahabo dimy amby efapolo taona ny reniko sy ny reninareo no tonga tamin’izany. Teo ho eo amin’ny faha dimy amby telopo taonany ny vadiko no tonga tamin’izany. Ankehitriny dia midina ho roapolo taona izany. Ny taranak’olombelona manontolo no simba. Ary raha miha simba toy izany ny tenantsika, noho ny fihinanana sakafo mifangaroaro sy ny firotorotoan’ny fiainana, tsy miha simba koa ve ireo selan’ny atidohantsika? Ary avy amin’izany no ahitantsika vehivavy miboridana mivoaka eny an-dalambe. Avy amin’izany no ahitantsika olona mampandeha fiara valopolo amby zato kilometatra isan’ora, sy ireo zavatra hafa koa. Tonga amin’ny fetra mampaharary saina ny olon-drehetra ato amin’ity firenena ity isika izao, ary tsy amin’ity firenena ity ihany, fa amin’izao-tontolo-izao.

Raha sitrapon’ny Tompo, dia ho hitantsika ato-ho-ato ireo lovia fito ireo, ary hasehontsika inona moa ireo zavatra mahatsiravina ireo. Atsy-ho-atsy ny olombelona dia ho tonga amin’ny fetram-pahadalana izay hiheverany ho mahita vitsika lehibe toy ny tendrombohitra. Hisy valala lava volo ho tonga etỳ an-tany hampanaintaina ireo vehivavy izay manapaka ny volony: hanana volo lava toy ny an’ny vehivavy izy ireo, nify lava toy ny an’ny liona, fanindronana toy ny an’ny maingoka eo amin’ny rambony, ary ho avy izy ireo hampanaintaina ny olona. Ary tsy hisy azo hatao intsony satria efa ho diso aoriana loatra. Azonareo tsara izany izao. Mba hampanaintaina…

Tamin’ny alahady eriny dia hitantsika ny mikasika ireo fandrenesana dimy ifandraisantsika amin’ny manodidina. Ireo no vavahady dimy, fandrenesana dimy ho an’ny vatana. Io ihany ny fomba idirana ao amin’ny vatana, dia amin’ny alàlan’ireo fandrenesana dimy ireo: ny fahitana, ny fanandramana, ny fitsapana, ny fanimboloana, ary ny fandrenesam-peo; tsy misy fomba hafa ifandraisana amin’ny vatana.

Ao anatin’ny olombelona, dia misy olona iray atao hoe saina. Ary io dia manana fandrenesana dimy: ny fisainana, ny fitiavana, ny fieritreretana, sns… Tsara.

Fa izao: tsy afaka misaina amin’ny vatanareo ianareo, ny sainareo no isainanareo. Ary eo no tavela ireo kristiana maro. Fa toy ny vary sy ny tsimparifary eny an-tsaha, dia mety ho voahosotr’ilay Fanahy Masina izay manosotra ireo tena mpino koa izy ireo.

Saingy ao anatiny, ao anatin’io faritra io, dia misy ny faritra fahatelo, ny fanahy izany, ary izy io no voatendrin’Andriamanitra mialoha. Ao no misy ny tena tsimoky ny voa. 

Ary tsarovy fa raha maka ahi-dratsy iray aho, ka loahako izany, ary atsofoko ao, ataoko grefy ao ny voambary iray, dia hisy tahombary hitsimoka avy aminy. Tsy midika inona izay ivelany, fihetsehampo fotsiny ireny.

Be loatra ankehitriny ny safotofoto mikasika ny famantarana ny Fanahy Masina sy ny sisa. Satana dia mahavita maka-tahaka izay fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra , fa izy kosa tsy afaka hitondra ity Teny ity ka tsy handatsaka na Teny tokana aza. Teo no tsy nahombiazany tao amin’ny saha Edena. Teo no tsy nahombiazany hatrany. Saintsaino ilay toriteny mikasika ireo voahosotra sandoka sy ireo marina. Mety ho voahosotry ny Fanahy izy ireo, hiteny amin’ny teny tsy fantatra, handihy, hihiaka, hitory ny Filazantsara, kanefa dia demonia. 

Ny ao anaty no tena-izy. Tsarovy àry fa Jesosy dia niteny hoe: “Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy. Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray.” 

Nasehontsika tamin’ity lesona ity izao fa ny olona iray dia efa tao amin’ny dadan’ny dadan’ny dadan’ny dadabeny, amin’ny lafiny ara-nofo, ary azo ahemotra hatrany izany. Amin’ny ara-nofo dia izany ianao, izany no toetranao. Mitranga ny fahaterahan’ny zaza menamenavolo ao amin’ny ankohonana iray. Dia manaitra ny rainy izany, satria tsy mahalala olona menamenavolo izy ao amin’ny fianakaviany sy ao amin’ny renin-jaza. Fa raha tetezinao miakatra ireo taranaka maromaro tany aloha tany, dia tsy nitsahatra nidina hatrany io voa io, ka nahazo ny toetry ny olona niaina ela be taloha tany ianao. 

Toy izany ao amin’ny Hebreo toko faha-7, voalaza fa rehefa niverina avy niady tamin’ireo mpanjaka i Abrahama, dia nanome ny fahafolon-karena tamin’i Melkizedeka. Ary i Levy, izay nandray ny fahafolon-karen’ny olona, dia efa nandoa fahafolon-karena koa, satria efa tao an-kibon’i Abrahama izy raha nifanena tamin’i Melkizedeka i Abrahama.

Fa izao no mbola misy ankehitriny: Raha zanakalahin’Andriamanitra aho, ka ianao zanakalahy na zanakavavin’Andriamanitra; dia efa tao amin’Andriamanitra isika hatrany am-boalohany. Ka, fony tonga fahafenoin’ny Teny Jesosy, dia efa tao Aminy isika, tamin’ny endrika tsimoka. Rehefa voahombo Izy, dia efa voahombo tao amin’ny Vatany koa isika. Rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy, dia tafatsangana niaraka tAminy isika. Ary ankehitriny, satria manaiky izany isika; dia mipetraka miaraka Aminy any an-danitra isika, ao amin’i Jesosy Kristy. Hitanareo? Raha zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra isika, dia zanak’ Andriamanitra , koa araka izany dia manana ny toetr’Andriamanitra; noho izany dia manana ny Fiainana Mandrakizay isika. Ary Andriamanitra irery no Fiainana Mandrakizay. Tao Aminy isika hatrany am-piandohana. Ka nony tonga io Teny io, Jesosy, isika dia lasa ampahany tao Aminy. Amena! Azonareo. Koa, rehefa mitoetra ao anatinao izany, tsy misy, na inona na inona demonia, na hery, ho afaka hanetsika izany. Izany no andry ifatoran’ny saina. 

Mety ho voahosotra ianao, ivelany, ao amin’ny saina, ary manao ireny zavatra ireny. Saingy, ny tena zavatra dia ny ahatongavanao ho voafatotra amin’io Teny io, ka tsy hihetsehanao ao intsony. Dia ho voatazona ianao, mafy araka izay azo atao, am-piadanana sy am-pahamarinana, ao amin’io Teny io. Raha tsy izany dia ho very foana ianao, na inona na inona no ataonao.

Ity Fiangonan’ny taonan’i Laodikia ity dia mitanjaka, mahantra, kanefa tsy fantany akory izany. Hitanareo? kanefa dia voahosotry ny tena Fanahy izy. Mety hilatsaka ao amin’ny olona iray ny Fanahy Masina, ao amin’ny sainy. Saingy, ny fanahiny no tsirin’ainy. Ny Teny io tsirin’aina io. Hitanareo? Tsy midika inona ny fahaizanao mitory teny, na ny fanaovanao tsara izao sy izao, na ny haben’ny fitiavana anananao. Iray amin’ny fidirana amin’ny saina izany. Tsy afaka mitia amin’ny alàlan’ny vatanao ianao; ny sainao no itiavanao. Fidirana iray io. Mety hitia ianareo, mety ho tia Andriamanitra aza, kanefa mety tsy ho ao amin’ny Fahamarinana. Mety mandroaka demonia ianao, mety mitory teny, manao ireny zavatra ireny, kanefa dia tsy ao amin’ny fahamarinana. Izany no voalazan’i Jesosy; nilaza Izy fa ho maro ny ho toy izany amin’izany andro izany. Manamarina izany ityTeny ity. 

«Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra”… “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.”

Mariho. Hiresaka mikasika ity lohahevitra ao amin’ny Baiboly ity aho: “Kristy dia voambara ao amin’ny Teniny ihany”. Tao amin’ny efitra fandriako aho, raha tonga tamiko izany. 

Nisy olona malala iray (mety ho ato izy izao maraina izao)… Ao amin’ny biraoko, dia misy sary hosodokon’i Hofmann iray izay maneho ny Tarehin’i Kristy nitory ireo “Fahasambarana“. Ary raha misy faritra tianao hovana eo amin’ny volony, ka tondroinao azy, dia asiany tsindri-penina io faritra io. Dia eo Izy, mitoetra ao amin’ny Teniny, mijery eo anoloany. Kristy ao amin’ireo “Fahasambarana”. Isaorako ilay olona izay nanome ahy izany, na iza izy, na iza. 

Ary nisy olona nitondra ny sary hosodoko maneho an’i Elia miakatra amin’ny fiara afo, ka nametraka izany ao amin’ny biraoko. Ankasitrahako ireny. Matetika maro loatra ny olona, ka tsy manam-potoana iresahana momba ireny aho. Kanefa, rahalahy, ranabavy, hitako izy ireny ary fantatro ny dikany, ary Andriamanitra mahalala ny fankasitrahako.

Izao aho dia hiresaka mikasika ilay lohahevitra: “Kristy dia voambara ao amin’ny Teniny ihany“. Teo am-pijerena io sary hosodokon’ireo Fahasambarana“, izay ahitana an’i Jesosy io aho, no nisaina io lohahevitra io.

Kristy sy ny Teniny dia iray ihany. Hitanareo? Ny olona miteny hoe: “Nanao ahoana ny Baiboly…“ Tsy ela izay; dia nitaingi-tsoavaly niaraka tamin’ny lehilahy iray aho. Hoy izy: ‘’Saintsaino. Toy izany isika ambonin’ity tany ity, ary ny fomba tokana ahafahantsika milaza fa voavonjy isika dia io anganonganon’ny Jiosy atao hoe Baiboly io.“

Hoy aho: “Andriamatoa, tsy haiko ahoana no ahafahanao miteny izany, fa izaho dia resy lahatra fa tsy angano jiosy izany io.“

Dia hoy izy: “Ka inona àry no zavakendrenao amin’ny vavaka? Mivavaka mba hahazo izao sy izao aho, kanefa tsy nisy azoko.“

Hoy aho: “Tsy nety ny fomba fivavakao.“ Tsy tokony hivavaka mba hampiova hevitra an’ Andriamanitra isika. Tokony hivavaka isika mba hampiova ny fisainantsika. Ny fisainan’Andriamanitra dia tsy mila fiovana. Hitanareo? Marina izany. Niteny aho hoe: “Tsy ny zavatra nangatahinao…“

Mahafantatra aho, tovolahy katolika iray, izay nanana boky fivavahana. Ary indray mandeha izy nivavaka mba ho velona ny reniny, kanjo maty izy. Dia natsipiny tao anaty afo ilay boky fivavahana. Tsy dia mankasitraka loatra ny boky fivavahana aho, kanefa na manao ahoana, hitanareo, tsy mety ny fomba ataonareo. Miezaka milaza amin’Andriamanitra izay tokony ataony ianareo. 

Izao no tokony ho fivavaka: “Tompo ô, ovay aho mba hifanaraka amin’ny Teninao.“ Tsy hoe: “Miovà Ianao.“, na koa: “Avelao aho hanova ny Fisainanao.“ Fa kosa: “Aoka Ianao no manova ny fisainako.“ Hitanareo? “Ianao no aoka hanova ny fisainako hifanaraka amin’ny Sitraponao. Ary ny Sitraponao dia voasoratra ato anatin’ny Boky. Koa, aza avela hiala aho Tompo ô, mandra-pitovy tanteraka amin’ny Fisainanao ny fisainako. Ka rehefa mitovy amin’ny Fisainanao ny fisainako, dia hino ny Teny rehetra voasoratra aho. Ary, Ianao nilaza fa hampiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa ireo izay tia Anao; ary izaho dia tia Anao, Tompo. Koa, ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa.“ 

Nitsidika ireo namana sarobidy amiko tany ambanivohitra aho tamin’ity herinandro ity. Ka omaly, teo am-pisakafoanana, dia nanontany ny sasany aho… Fombanay, mandritra izany, ny manao dinidinika mikasika ny Baiboly. Momba ny fitiavana ny resakay tamin’izay.

Ka nisy anankiray teo niteny tamiko hoe: “Mihevitra aho fa ianao dia antikristy.“

Dia hoy aho: “Raha izany no hahafaly ny Tompoko, dia izany koa no tiako amiko. Te ho-tahaka izay itiavany ahy tanteraka aho. Tiako Izy. Ary na dia hatsipiny any amin’ny helo aza aho, dia mbola ho tia Azy, raha mbola izao fanahiko izao ihany no ho fanahiko.” Dia nijery ahy tamin’ny fijery hafahafa izy. 

Tovolahy efatra na dimy izy ireo no teo, sy ireo vadiny mbola tanora, vehivavy mendrika tokoa. Fantatro ny fitiavan’ireo tovolahy ireo ny vadiny, ka hoy aho taminy: “Ity misy fomba iray izay azo hanamarinana izany. Andao hiverina amin’ny fotoana mbola naha-mpitovo anareo. Ataontsika hoe nanonofy ianao fa efa nanambady azy. Tsy tena nanambady ianao, fa nanonofy fotsiny. Nifoha ianao avy eo, dia nandeha niresaka izany taminy: “Hainao moa, nanonofy aho fa efa mpivady isika, ka nanan-janaka, ary niaina sambatra teo am-piandrasana ny Fiavian’ny Tompo!“ Ary tamin’izay, dia nilaza taminao hono ilay tovovavy hoe: “Hainao, misy olon-kafa izay tiako kokoa noho ianao. Ho sambatra kokoa aho hiaraka aminy.“ Ho ampy ve ny fitiavanao azy ao ao am-ponao, hahafahanao hiteny aminy hoe: “Hitahy anao anie ny Tompo, ry malalako. Miaraha aminy.“

Manontania tena ianareo izao, tsirairay avy, na lahy na vavy. Hitanareo? Raha tena fitiavana àry ny anareo, dia ho nanao izany ianareo, satria ny hahasoa azy no tadiavinareo. Fantatrareo fa mety ho azonareo izy, ho afaka hiaina miaraka aminy ianareo, ho vadinareo izy, kanefa tsy ho sambatra izy. Mety ho sambatra kokoa izy… Koa, raha tia azy ianareo, tianareo ho sambatra izy… 

Tahaka izany koa, na inona na inona ny sitrapon’Andriamanitra, aoka izany no ho tanteraka, na haha-sambatra ahy izany na tsia. Ny hahafa-po Azy amin’izay ataoko no fomba tiako iainana. Diniho araka izany àry, inona no tanjonao sy manetsika anao, dia ho fantatrao na tia Andriamanitra ianao, na tsia. 

Ahoana raha hiteny amiko Izy hoe: “Mbola hanompo Ahy ve ianao, raha sendra ka hanilika anao Aho?“

Dia hamaly aho hoe: “Tiako foana Ianao, na manao ahoana.“ Hitanareo?

Ka raha afaka manana fijery sy finoana toy izany ireo fiangonana, dia tsy hisy intsony olona hiezaka hanendaka ny baolina eny an-tànan’ny hafa izay mihazakazaka mitondra izany. Ny hiaro azy aza no tokony hataony. Hitanareo? Tsy tokony ho tena antony, ho tena tanjona, ny hoe: “Izaho koa mahavita izany! Izaho dia izao sy izao.“ Hitanareo, izany no tsy ahafahan’Andriamanitra mampiasa ny olona. Misy fakan-tahaka maro loatra manaraka izany. Satana izany, fa ny olona tsy afaka mahatsapa izany. Miezaka maka ny baolina an-tànan’izay mahazo izany izy ireo. Manangàna minisitera iray anie Andriamanitra ê, dia jereonareo ny hamaron’ny olona hihazakazaka te-hahazo izany. Hitanareo? Hitanareo?

Ka izao: ny tena fitiavana an’Andriamanitra dia ity: “Tsy mampaninona izay hisy ahy, Tompo, fa raha afaka hilaza teny tokana fotsiny aho ho fandraisako anjara amin’ny fiarovana ny Teny, dia aoka aho hanao izany.“ 

Tahaka izany koa ny mikasika ny vadinareo raha tena tia azy ianareo, —tsy fitiavana “Phileo“ fa fitiavana “Agapao”, fitiavana tena fitiavana— ary, raha mety ho sambatra kokoa izy miaraka amin’olon-kafa… Amin’ny tranga mbola naha-mpitovo anareo no ilazako izany, fa tsy izao intsony.

Tsetsatsetsa-tsy-aritra: mampatsiahy ahy ireo olona mihaino ireto horonampeo ireto izany. Maro no manoratra amiko hoe: “Maninona ianao, ao amin’ny Fanambadiana sy Fisarahana no milaza izao sy izatsy?“ Imbetsaka loatra aho no niteny hoe: “Ireto horonampeo ireto dia voatokana ho an’…“ Ny fiangonako no itenenako, ry rahalahy. Tsy tompon’andraikitra amin’izay nomen’Andriamanitra ho mpitarika anareo aho. Tsy tompon’ andraikitra aho afa-tsy amin’ny karazan-tsakafo izay omeko ireto olona ireto. Ho an’ny “Tabernacle“ ihany izany. Fa raha te-hihaino ny horonampeo ny olona, dia raharahany izany. Fa izaho miteny amin’ireo izay nomen’Andriamanitra ahy. Ny fahotan’izy ireo no navela

Nisy nanoratra tamiko hoe: “Izaho dia nanao izao sy izao. Ianao niteny fa ny fahotantsika…“ Tsy izany no noteneniko.

Hoy aho: “Jereo izany toy izao: ireny zavatra ireny dia natokana ho an’ny olona izay tonga ato amin’ny “Tabernacle“, ireo ondry fiandriko. Kanefa moa, raha te-hampifangaro sakafo any ivelany any ny olona, mandray ny fanambarana avy amin’Andriamanitra ianareo, dia ataovy izay lazain’Andriamanitra aminareo. Izany koa no tiako atao. Fa ireto hafatra ireto, dia ho an’ity fiangonana ity.

Marihonareo fa tafaverina amin’izay voalazantsika teo aloha isika izao: Mila mahazo zavatra hafa noho ny efa ananantsika isika mba ifikirantsika. Mila andry ifatorantsika isika, na jadona raha lazaina amin’ny fomba hafa. Tsy maintsy manana jadona iray ny olona tsirairay. Nitoriteny mikasika io aho indray mandeha, taona maromaro lasa izay: ny fisiana jadona iray, toerana iray itenenana ny teny farany. Tahaka ny mpitsara lalao baolina izany; raha milaza izy fa “coup-franc“ dia izany no izy. Tsy misy dikany izay hitanao; raha ny mpitsara no milaza hoe “coup-franc“, dia izay ilay izy.

Mety hilaza ianareo hoe: “Tsy coup-franc iny, izaho nahita fa…“. Tsy misy dikany izay hitanao. Na inona na inona izany, rehefa izy milaza hoe “coup-franc“, dia izay ihany. Izy no jadona.

Ny jiro mpandamina fifamoivoizana koa dia jadona iray. Raha hoy izy hoe “Stop“, kanefa ianao hilaza hoe: “Maika aho kà, izaho tsy maintsy…“ —Tsia, tsia, tsy maintsy miandry ianao mandra-pandalovan’ny sasany. Hitanareo, izany no jadona. 

Ary izao: amin’ny zavatra rehetra izay ataonao dia tsy maintsy misy jadona. Misy jadona iray rehefa hifidy izay ho vadinao ianao. Tsy maintsy misy vehivavy iray izay tsy maintsy ho fidinao.

Raha hividy fiarakodia ianao izao, dia misy ny fotoana iray tsy maintsy hamantaranao ny karazan-jadona ho anao: Ford ve izany? sa Chevy, sa Plymouth? sa fiarakodia vahiny? Tsy maintsy manana jadona ianao amin’ny zavatra rehetra. Ary tahaka izany koa amin’ny fiainana kristiana; tsy maintsy misy ny jadona. 

Fa raha misy olona iray manatona olona iray hafa, ka miteny aminy fa nisy nilaza taminy hoe: “Tsy maintsy atao batisa ianao“, kanefa io olona io tsy mba… Misy fiangonana sasany tsy manao batisa; fafy rano no ataony. Ny Metodista, ohatra, araka ny hevitro, dia manao batisa ny olona izay mangataka izany. Fa ny Katolika kosa, fahitako azy, dia tsy manao afa-tsy fafi-rano. Ka raha misy aminy mandre mikasika ny fanitrihana anaty rano, dia gaga izy. Ary satria voataizan’ny finoana katolika izy, dia hanatona ny pretra, ka hiteny hoe: “Mompera ô, mihevitra aho fa tokony atao batisa asitrika anaty rano isika. Ka inona no voalazan’ny fiangonantsika mikasika izany?“

“Hay! Milaza izy fa tsy maintsy fafazan-drano isika.“ Raha jadona ho an’io olona io ny fiangonany, dia vita ny raharaha. Tapitra ny adihevitra. Izany no voalazan’ny fiangonana, dia izany no izy.

Hanao ahoana ny rahalahy Batista iray raha mandre fa isika dia mino ny batisa asitrika, amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy? Satria mpiangona izy, dia hanatona ny pasiterany, ary hilaza hoe: “Pasitera ô, naheno aho fa tokony asitrika tokoa isika, raha atao batisa, saingy tokony amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy izany.“ 

“Hay!“ hoy izy, “Andao jerena izany. Ity ny boky milaza fa tsy maintsy atao batisa amin’ny fanononana telo isika: Ray sy Zanaka, ary Fanahy Masina.“ Raha jadona ho azy io fiangonana io, dia vita ny raharaha. Tsy hiasa loha amin’ny mety holazain’ny olona izy. Jadona aminy io.

Izany àry: ny anaram-piangonana tsirairay dia jadona ho an’ireo mpinony. 

Fa ho ahy kosa, sy ireo antenaiko ho entina amin’i Kristy, dia ny Baiboly no jadona ho anay. Satria hoy Andriamanitra hoe «Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga.» Ary mino aho fa ny Baiboly no Jadon’Andriamanitra. Tsy ahoako izay mety holazain’ny olona. Izy no Jadona. 

Tsy bokina rafitra ny Baiboly. Sanatria! Tsy bokina rafim-pandaminana Izy na ana lalàm-pitondrantena. Tsy bokin-drafitra, na ny tahaka izany ny Baiboly. Sanatria! Tsy bokin-dalàm-pitondrantena. Tena tsia. Tsy bokin-tantara koa Izy, na bokina teolojia, satria Izy no fanambarana an’i Jesosy-Kristy. Raha misy manana taratasy, ka te-hanamarika izany mba ho vakiana, dia ao amin’ny Apokalypsy 1:1-3 izany. Ny Baiboly dia fanambarana an’i Jesosy-Kristy.

Andao ho vakìna izany raha mbola manana fotoana isika. Tsy manana naoty loatra koa aho itarihako ny resaka, fa raha tsy mbola tonga eto ny Tompo, dia hezahantsika hamoahan-javatra izany.

«Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, izay nanambara ny tenin' Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany. Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.» 

Ny Baiboly àry, dia fanambarana feno an’i Jesosy-Kristy, ka ireo mpaminany no nanoratra Azy. Izao no voalaza ao amin’ny Hebreo 1:1: “ Rehefa nampitenenin' Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany», dia Jesosy-Kristy izay fitambaran’ireo mpaminany rehetra. Jesosy no Malakia. Jesosy no Jeremia, Isaia, Elia. Izay rehetra naha-izy azy ireo dia tao Aminy. Ary izay rehetra maha-anareo anareo, sy maha-izaho ahy dia ao Aminy, teny maro vavolombelon’ny Teny. Noho izany, tsy bokin-drafitra Izy, na raki-dalàna fitondrantena, na bokin-tantara, na bokin-teolojia. Tsy ireo rehetra ireo Izy. Izy dia fanambarana an’i Jesosy-Kristy: Andriamanitra mihitsy, naseho avy tao amin’ny Teny nankao amin’ny nofo. Izany Izy. Andriamanitra no Teny, ary Jesosy no nofo. Izany dia fanambarana iray izay mampiseho antsika ny amin’ny ahoana Andriamanitra, ilay teny, no naseho tao amin’ny nofon’olombelona mba ho voambara tamintsika. Ary izany no nahatonga Azy ho Zanak’Andriamanitra. Silaka ao amin’Andriamanitra Izy. Azonareo ve? Ny Vatana dia ampahan’Andriamanitra, koa Zanaka iray izy.

Ireo Katolika (sy ireo fiangonana hafa rehetra) dia milaza Azy ho Zanaka Mandrakizay, kanefa izany fiteny izany dia tsy midika inona na inona. Hitanareo? Tsy afaka sady ho mandrakizay Izy no ho zanaka, satria ny zanaka dia nateraka. Ary ny teny “mandrakizay“… Mety ho Zanaka Izy, fa tsy afaka ho Zanaka Mandrakizay. Tsia dia tsia! Tsy mety ho Zanaka Mandrakizay Izy.

Zanaka Izy, satria, araka ny voalazany ihany, ireo teny rehetra ao amin’ny Soratra Masina, na tao amin’i Jeremia, na tao amin’i Mosesy, dia “Milaza Ahy izy ireo“, hoy Izy. Tamin’ny farany ireo fanambaran’Andriamanitra rehetra ireo dia naka endrika vatan’ olombelona iray izay notafin’ Andriamanitra nofo. Izany no niantsoana Azy hoe “Zanaka“, ary izany no mahatonga an’i Jesosy miantso ny “Ray“. Zavatra tsotra tahaka izany, raha mba afaka mamela an’Andriamanitra handrotsaka izany ao am-ponareo ianareo. Hitanareo? Andriamanitra naseho tamin’ny vatan’olona (mariho!) Naseho avy tao amin’ny Teny Izy nankao amin’ny nofo. Izany no voalazan’ny Jaona 1:14: «Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tamintsika.» 

Izao dia diniho io Baiboly io. Nisy niteny hoe: “Oh! Natao ampiasaina amin’izao io. Natao ho amin’izatsy io.“ 

Fa mamelà ahy hilaza zavatra aminareo: Dinihontsika iray minitra ny tantaran’ny Baiboly mba hahitantsika taiza no niaingany. Mpanoratra efapolo samihafa no nanoratra Azy, tao anatin’ny elanelam-potoana eninjato sy arivo taona tamin’ny vanim-potoana samihafa, ary ireo dia naminany ireo zava-dehibe indrindra nitranga tao amin’ny tantaran’ izao-tontolo-izao, ary izany dia an-jato taona maro mialohan’ny fahatanterahany. Ary tsy nisy fahadisoana na dia tokana aza tao amin’ireo boky enina amby enimpolo ireo. Oh! la! la! Tsy misy mpanoratra hahavita zavatra mazava toy izany afa-tsy Andriamanitra ihany. Tsy misy teny tokana ka mifanohitra amin’ny hafa sisa rehetra.

Tsarovy fa tao anatin’ny eninjato sy arivo taona no nanoratana ny Baiboly: eninjato sy arivo taona no nandalo, hatramin’i Mosesy, ka hatramin’ny fahafatesan’i Jaona tao amin’ny nosy Patmo. Ary mpanoratra efapolo samihafa no nanoratra Azy. Tsy nifankafantatra izy ireo, ary tsy tsapan’izy ireo akory fa ny Teny no nosoratany. Ny sasany tamin’izy ireo dia tsy mba nahita ny Teny. Kanefa rehefa nanoratra Azy izy ireo, ka neken’ny olona ho mpaminany, dia nangonina ireo faminaniany rehetra, ary tsapa fa ny tsirairay dia nifandrindra tamin’ireo hafa rehetra.

Jereo Petera, tamin’ny andro Pentekosta. Hoy izy: «Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy ianareo rehetra, mba hahazo ny famelana ny helokareo. 

Tsy mba nandre mikasika izany i Paoly. Nijanona tany Arabia nandritra ny telo taona izy, nandinika ny Testamenta Taloha mba ahafantarany io Andry Afo izay niteny taminy teny an-dàlana, hoe: «Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?» Ahoana moa no hahadiso hevitra azy? Tsy mba nila hevitra tamin’ny fiangonana izy.

Kanefa, raha nifanena tamin’i Petera izy, efatra ambin’ny folo taona taty aoriana, dia zavatra iray ihany no nitorin’izy roalahy, tsy nisy hafa na kely aza. Izany ny Baibolintsika. Aoka ny tenin’ olombelona no ho diso… Tsy misy olona afaka hanampy amin’Izany. Tsy azonareo anampiana ny Baiboly. Tsia dia tsia! Fanambarana feno tanteraka io. Izay ihany.

Tahaka ny amin’ny Tombokase fito: misy olona iray tsy mitsahatra miteny amiko hoe: “Rahalahy Branham, rehefa hosokafana ireo Tombokase ireo, dia hiteny amintsika ny Tompo, ka hanambara amintsika ny fomba anatonana an’Andriamanitra akaikikaiky kokoa.

Dia hoy aho: “Tsia Andriamatoa! Tsy ho mety izany, satria ireo Tombokase fito ao amin’ny Baiboly ireo dia misy zavamiafina fito. Efa voasoratra izy ireo, fa ny olona tsy nahafantatra ny dikany.“ 

Jereo ny fisandohan’izy ireo mikasika ny batisa amin’ny Anaran’i Jesosy. Hitanareo? Tsy izany ny Anarana, fa “Jesosy-Kristy-Tompo“. Jereo tsara ireny zavatra ireny. Satria maro no mitondra ny anarana “Jesosy“. Izaho dia mana-namana maromaro, pastora, mitondra anarana “Jesosy“. Tsy izany fa ho antsika dia “Tompo Jesosy-Kristy“ no Izy. 

Tsy misy mpanoratra ho mazava toy izany, afa-tsy Andriamanitra ihany.

Jerentsika kosa izao ny fomba nanoratana ny Baiboly. Raisintsika, ohatra… Inona no hiseho raha isika haka boky mikasika fitsaboana ny tenan’olombelona, miisa enina amby enimpolo, nosoratan’ny fikambanan-dokotera efapolo samihafa, tao anatin’ny enin-jato sy arivo taona? Manontany tena aho ny amin’ny firindran-kevitra toy ny ahoana no mba ho azo ao amin’izany?

Fony voan’ny pnemonia ny filohampirenentsika, George Washington, roanjato taona lasa izay, dia nongotana ny hohon’ny ankiben-tongony, namoahana an-tsasa-litatra tamin’ny ràny. Raha izany no ho ataontsika ankehitriny… 

Andao hijery lavidavitra kokoa, zavatra tena mahaliana antsika ankehitriny: ny siansa.

Hanao ahoana, raha hijery lalàna siantifika efapolo karazana, novokarina tao anatin’ny eninjato sy arivo taona isika, hahitantsika izay ho vokany? —Telonjato taona lasa, dia nisy manam-pahaizana Frantsay iray nanaporofo ara-tsiansa fa raha afaka hatao ny manakodia ny baolina iray amin’ny hafainganam-pandeha mahagaga dimy amby efapolo kilometatra isan’ora, dia hanainga izany ka hanalavitra ny tany. Heverinareo ve fa ny siansa ankehitriny dia hihazona izany ho fotokevitra? Aiza ny mba fitohizan’izany, raha ankehitriny ny olona afaka mampandeha fiara roapolo sy roanjato kilometatra isan’ora eny amin’ny arabe? Hitanareo? Kanefa io lehilahy io dia nanaporofo ara-tsiansa fa ny tosika amin’ny baolina iray ahazoany hafainganam-pandeha dimy amby efapolo kilometatra isan’ora dia ampy hampiala azy amin’ny tany ka hisidinany any amin’ny habakabaka. Tsia, tsy misy fitohizana ao amin’izany.

Fa ao amin’ny Baiboly kosa dia tsy mba ahitana na Teny iray aza mifanipaka amin’ny hafa. Tsy misy mpaminany tokana ka nifanohitra tamin’ny hafa. Tonga lafatra avokoa izy rehetra. Ary, raha nisy mpaminany sandoka naminany, dia nitsangana ny tena mpaminany nampangina azy. Hitanareo? Hitanareo? Ho an’ireo tena mpino àry, ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra.

Ankehitriny, tsy misy zavatra na iray aza, azo antoka ka iharahan’ireo dokotera ireo manaiky. Na dia izy ireo aza dia tsy manana fahazoana antoka. Ny siansa ankehitriny dia tsy azo antoka.

Ianareo mahafantatra, fa tsy ela izay, dia nisy nilaza fa tsy marina raha miteny ny Baiboly hoe: “Nahita Anjely efatra izy, nitsangana teo amin’ny zoro efatry ny tany“. Ny tany, hono, dia boribory, kanefa ny Baiboly miteny “zoro efatra“. Saingy hitanareo, roa na telo herinandro lasa izay, ireo gazety dia namoaka lahatsoratra milaza fa nisy nahita fa miendrika efajoro ny tany. Firy no nahita izany? Marina izany, hitanareo? Nanaovako kopia mitovy izany, iandrasako raha hisy hiresaka mikasika izany. 

Ho avy ny andro izay hahitan‘izy ireo fa ny haben’ny erana dia tsy misy dimampolo amby zato tapitrisa “années-lumière“ araka ny fiheverany. Ho hitany fa faribolana iray fotsiny no notilìny. Marina izany. 

Indray andro; rehefa hankany an-Danitra ianareo, dia hahita fa tsy hanidina ho any an-toeran-kafa ianareo; eto ihany ianao, fa hafindra hankao amin’ny saka hafa izay haingam-pandeha kokoa fotsiny. 

Mamakivaky ity efitrano ity ny loko. Maharitra mandrakizay ny lokon’ny lobaka sy akanjo anaovanareo; voarakitra izany, ka mihodina, mihodina manodidina izao-tontolo-izao. Isaky ny mipi-maso ianao dia voarakitra izany. Mariho fa ny fahitalavitra dia porofon’izany.

Fony teraka ianao, dia manokatra firaketana iray Andriamanitra… Rehefa mandefa firaketam-peo ianareo, dia tsy mandre feo firy am-boalohany, hainareo. Izany dia ny zaza, mandra-pahatsapany andraikitra. Rehefa izany, dia manomboka ny feo. Manomboka miteny sy manao zavatra izy, izay tsy maintsy hanadinana azy. Ary rehefa mifarana io fiainana io, dia tsoahina ilay kapila na ilay horonana, ka tehirizina ao amin’ny tranom-boky lehibe an’ Andriamanitra. Ahoana àry no ialanao izany amin’ny Fitsarana farany? Haverina eo anatrehanao io firaketana io; ny fihetsika rehetra nataonao, ireo eritreritra rehetra nandalo tao an-tsainao. Hitanareo moa izany? Hitanareo àry izao, aiza Andriamanitra no …

Indray hariva, nisy lehilahy iray nijoro teto amin’ny lampihazo. Lehilahy iray tsanganana, sola, matanjaka, tena bikàna tokoa ilay izy. Nilazan’ny Tompo zavatra maro mikasika ny ankohonany izy, sy izay zavatra tokony ataony. Nivoaka izy avy teo, dia nipetraka. Minitra vitsy taorian’izay, tonga teo anoloako indray ny lehilahy iray nitovy taminy, fa izy kosa nanondrika loha. Tsy nety azoko ny fisehon-javatra, ka nojereko indray ilay lehilahy. Nefa tsy izy io, satria nisy zavatra nampiavaka azy, saingy tsy haiko. Nijery nanodidina ahy aho, fa tsy nahita olona. Dia hoy aho hoe: “Mipetraka ambadik’irỳ lambam-baravarankely irỳ ilay lehilahy.“ Ary izy dia rahalahy mpiangon’ity fiangonana ity, lehilahy bikàna, sady tsanganana no sola, mpandeha ato. Manondrika ny lohany izy rehefa mivavaka, satria efa akaiky ho faty izy noho ny aretim-bavony. 

Tokony hividy kiraro vaovao izy. Ny vadiny no naniry azy hividy kiraro vaovao. Fa hoy izy: “Tsia, tsy hividy aho satria tsy ho velona tsinona aho hikiraro izany.“ 

Efa ho faty izy. Dia akory ny fahitana azy, mipetraka eo, ao anatin’io saka iray hafa io… Haleloia! Efa ho faty izy. Tsy inona izany, fa Andriamanitra nandalo ka manambara hoe: “Eto izy.“ nanondro ny toerana nisy azy. Azonareo ve ny tiako ambara?

Mariho izao: Tsy misy diso, na tokana aza, ao amin’ny Soratra Masina. Jesosy, ilay Tenin’Andriamanitra dia mahita ny fisainana ao anatin’ny fo. Ny Tenin’Andriamanitra dia mafy kokoa, maranitra kokoa, hoy ny Hebreo 4:12: ‘’Mafy sy maranitra noho ny sabatra roa-lela ny Tenin’Andriamanitra, ka mahay mamantatra ny eritreritra.“ Hitanareo? Midina hatrany amin’ny fisainana Izy, ka misava sy mamantatra. Inona no atao hoe mamantatra? —Mampahafantatra, manambara. Ary izany no ataon’ny Tenin’Andriamanitra.

Lazaina ankehitriny fa “ny Tenin’Andriamanitra dia ny fiangonana Katolika, na ny Batista, na ny Metodista, na ny Pentekotista, na ny Tabernacle.“ Diso izany. Ny Teny no fanambarana; amin’ny alàlan’ny Teny Andriamanitra no voambara! 

Tsia, isika tsy mahita fitohizana amin’ireo samy dokotera, na amin’ireo samy mpahay siansa, izay samy hafa foto-pampianarana avokoa. 

Raha ireo lalàn’ny hazavana sy ireo zavatra hafa nodinihiny ireo, ka nahitan’i Einstein fampiharana ara-panahy, toy ny nahitany fampiharana fizika an‘izany, dia ho afaka nanambara zavatra tamintsika izy. Nisy fotoana aho nandre azy niteny mikasika izany ivotoerana lehibe eny amin’ny lanitra izany, ka “raha hisy afaka hifandray amin’izany ivotoerana izany—hoy izy— dia ho afaka hamorona tany, sy manao ny zavatra rehetra, ary tsy hisy fetra ny fahefany.“ Hitanareo? Efa nahita izany izy.

Hitanareo ireny zavatra madinika mamakivaky ny rivotra ireny, izay ataon’ny olona hoe “soucoupes” ireny. Tsara kokoa amintsika ny tsy miasa loha amin’izy ireny. Hoy ianareo hoe: “Renao ve ireo olona manjavona, tsy hita ireny?“ —Tsy re intsony izy ireny. Eo ihany ireo, saingy tsy hita eo.

Ho tahaka izany no ho fitrangan’ny fampakarana. Hilatsaka mivantana aminao ny “soucoupe” iray, ka ity vatana-tany ity dia hovana vatana araky-ny-lanitra. Ka ny rehetra… hoditra, volo, taolana dia hiova anatin’ny indray mipi-maso, ka hanjavona ivelan’ny erana, hankany an-Trano. Efa hitantsika miseho ankehitriny izany rehetra izany; ka ny Pentagone dia manontany tena mikasika ireo hazavana mahagaga sy ireny zavatra rehetra hita eny amin’ny lanitra ireny. Tamin’ity herinandro ity dia, hitanareo, nisy iray noresahana tao amin’ny gazetin’i Jeffersonville; sy ireo hafa koa: “hazavana iray mahagaga“. Koa, oh, tsy fantatr’izy ireo ny mikasika azy ireny. Fa, henoy tsara rankizy madinika. Ho avy ny andro ahatongavan’ireny izay haka anareo. Hitanareo? hitanareo? fa aza matahotra.

Tsarovy fa Jesosy niteny hoe: «Tahaka ny tamin’ny andron’i Sodoma…» Inona no nitranga talohan’i Sodoma? —Nidina niaraka tamin’ny Anjely Andriamanitra, ary nanao fanadihadiana ilaina amin’ny fitsarana. Hoy Andriamanitra: “Nandre hiaka mafy Aho, nilaza fa hipoky ny fahotana loatra ny tany, fahotana lehibe loatra, ka nidina Aho mba hizaha raha marina izany na tsia.“ Marina ve izany? Mariho fa io Olona be voninahitra nijanona teo amin’i Abrahama io dia afaka namantatra ny fisainan’ny fon’i Saraha izay tao ivohony. 

Ankehitriny, raha mijery ny manodidina anareo fotsiny ianareo, mba handinika izay ataony izao, dia hahita fa mbola ny nataony ihany no ataony izao: fanadihadiana mialoha ny fitsarana izany. 

Tsy ho ela, rehefa ho tafajoro ny Fiangonana, ka ho tafapetraka amin’ny toerany avy ireo voa rehetra, dia hampakarina izy ireo. Tsy ho hain’izy ireo izay mitranga aminy. Ny iray ho eny an-dàlana hankany amin’ny toerana iray. Hitanareo? Ny iray hafa hankany an-tranon’ny pastora. Iray hafa koa ho atsy na eroa. Fa ny zavatra hainareo, voalohany, dia tsy ho hita intsony izy ireo, satria ny amin’i Enoka, izay endrik’izany, dia voalaza hoe: “tsy hita izy, fa nentin’Andriamanitra.“ Midina hanadihady Andriamanitra.

Ny fitohizana! Akory ny maha endriky ny fampakarana an’i Enoka, endriky ny famindrana ny Isiraely tamin’ny fiaran’ny Fanekena. Lavorary loatra ny Tenin’Andriamanitra, ka ireo Testamenta Taloha sy Vaovao aza dia tapany anankiroa amin’ny zavatra iray ihany. Marina izany. Tapany iray ny Testamenta Taloha, ary tapany iray hafa ny Testamenta Vaovao. Atambaro izy roa ireo, dia mahazo ny fanambarana feno an’i Jesosy Kristy ianao. Etsy, ireo mpaminany no miteny mikasika Azy, fa eto kosa dia Izy Tenany mihitsy. Hitanareo? Tapany anankiroa manome zavatra anankiray feno.

Tsy te-handany fotoana loatra amin’izany isika. Fa tadidio fa tsy feno ny Testamenta Taloha raha tsy miaraka amin’ny Testamenta Vaovao. Ary tsy ho mety feno ny Vaovao raha sarahina amin’ny Taloha. Izany no ilazako hoe tapany anankiroa manome anankiray feno. Ka ireo mpaminany nanambara hoe: “Ho avy eto Izy, ho avy eto Izy, ho avy eto Izy! Izao sy izao avy no hataon’izy ireo Aminy!“ Ary io Izy fa tonga. “Tonga teto Izy, tonga teto Izy! Dia izao sy izao no nataon’izy ireo tAminy.“ Vao avy nitory izany aho, andro vitsivitsy lasa izay.

Hoy Paoly, raha nitaona an’i Timoty hianatra ny Soratra Masina izy: “Diniho, ary zarao am-pahamarinana ny Tenin’Andriamanitra, izay Fahamarinana.“ 

Fitsipika telo no arahina rehefa mandinika ny Soratra Masina. Misy zavatra telo tsy azonareo atao rehefa mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ianareo. Andao jerena izany mandritra ny folo minitra: zavatra telo tsy azonareo atao. Ary na aiza na aiza misy anareo ato amin’ny firenena, dia aoka hifantsika tsara an-tsainareo izany, raha tsy naharamby penina iraketana izany ianareo. Tsy mahazo manao izany ianareo. Hatrany hatrany, dia nolazainay ny zavatra tokony ataonareo, fa anio kosa, izay tsy azonareo atao no holazaina aminareo. 

Voalohany, dia tsy mahazo mandika vilana ny Teny ianareo. Hoy ianareo hoe: “Mino aho fa izao no dikan’Izany.“ Izany dia midika izay lazainy. Tsy mila mpandika teny Izy. Manaraka, dia tsy azonareo disoina ny Teny. Ary farany, dia tsy azonareo tapatapahina ny Teny. Ka raha manao ny iray amin’ireo ianareo, dia mampisafotofoto sy manakorontana ny Baiboly manontolo.

Mariho, fa mandika vilana an’i Jesosy, izay Andriamanitra mitafy endrik’olombelona ianareo, raha ataonareo andriamanitra iray anatin’ny telo Izy. Ianareo dia handika vilana an’i Jesosy, Izy izay Teny, raha hanao Azy ho andriamanitra iray ao amin’ny telo, na koa hataonareo persona faharoa ao amin’Andriamanitra iray Izy. Ka raha izany no ataonareo, dia ny Soratra Masina manontolo no ho simbanareo. Tsy mba handroso mihitsy ianareo. Koa, tsy azo adika vilana ny Teny.

Raha miteny zavatra iray ianao, sady adikanao vilana izany, ka amin’ny fotoan-kafa, ampiasainao araka izany, na ampiasain’olona toy izany amin’ny fotoan-kafa, dia mbola manao fandikana vilana ihany ianao. 

Na iza na iza diso fihevitra mikasika an’i Jesosy Kristy ao amin’ny Baiboly, tsy mandray Azy ho ilay Andriamanitra mihitsy, fa manao Azy ho Persona faharoa, na Andriamanitra iray ao amin’ny telo, dia handrava ireo Teny rehetra ao amin’ny Baiboly manontolo. Ho ravany ny didy voalohany, hoe: “Aza manana amndriamani-kafa fa Izaho ihany.” Izay! Izany no ahatonga ny tontolo kristiana ho mpanompo sampy avokoa, hitsaoka andriamanitra telo samy hafa. Dia jereo, ho Baiboly toy inona no ho azonareo amin’izany? Dia ho tanteraka amintsika izay voalazan’ny Jiosy mikasika antsika. Hoy izy ireo: “Iza amin’ireo àry no tena andriamanitrareo?” Hitanareo? Araka izany, dia tsy mahazo mandika vilana ny Baiboly ianareo. 

Satria Jesosy mihitsy no fandikana ny Baiboly. Rehefa aseho amin’ny Taom-Piangonana iray Izy, dia ny ampahan’ny Tenany ho an’izany no miseho. Raha andron’ny tànana, dia tsy maintsy tànana, fa tsy mety ho andron’ny loha. Raha andron’ny feo, dia tsy mety ho andron’ny tongotra. Hitanareo? Ary ankehitriny isika dia amin’ny andron’ny maso. Ary ny ho avy manaraka dia Izy mihitsy, ny Fijery ara-paminaniana.

Hitanareo, nanomboka niala tamin’ny fototra isika, tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany, raha nalevina tao an-tany ny Voa, ny Voa manontolo. Ary nanomboka nivoaka izy nandritra ny andron’ny tongotra, niaraka tamin’i Lotera, dia niverina tamin’ny andron’i Wesley, sy ireo Pentekotista nandritra ny andron’ny lela sy ny molotra, hitanareo. Izao kosa, dia andron’ny maso, andron’ny faminanian’ny Malakia 3:23-24. Ka tsy hisy ho avy intsony afa-tsy Izy mihitsy, izay hiditra ao anatin’izany, satria izay no farany. 

Ny zavatra manaraka dia ny fahalalana, kanefa isika dia tsy manana ny fahalalana avy amin’ny tenantsika. Izy no manana ny fahalalana. Hitanareo? Tsy avy amin’ny tenantsika no ahazoantsika fahitana. Ahoana moa no hahavitan’ny olona iray haminany ireny zavatra ireny. Tsy afaka manao izany ny olona. Andriamanitra irery ihany no afaka manao izany. Hitanareo, anjarany izany. Ary Izy no nitantana ny vatana hatrizay, mandra-pisehon’ny Vatan’i Kristy manontolo, amin’ny endriky ny Ampakarina iray, izay notsoahina teo amin’ny Lanivoany, toy ny tamin’i Adama rahateo, tany am-piandohana.

78  Eny, “andriamanitra-tsy-izy“ izany, izay hampisafotofoto ny Baiboly manontolo, handrava ny didy voalohany, ary hankalazana andriamanitra-tsy-izy, andriamanitra-sampy iray misy persona telo. Hanimba fotsiny izao ny fijery ny Baiboly manontolo izany. koa, tsy mahazo mandika vilana ny Baiboly ianareo. Zavatra iray izany.

79  Satria iray ihany ny fampiharana ireo Teny rehetra ao amin’ny Baiboly, dia tsy maintsy apetrakareo eo amin’ny Toerany avokoa ireo. Raha mandiso toerana Azy ianao, dia mety ataonareo ho Andriamanitra Izy amin’ny vanimpotoana iray, fa ho tantara kosa amin’ny vanimpotoana manaraka. Koa tsy mahazo mandiso toerana ny Soratra Masina ianareo. Andriamanitra Izy amin’ny fotoana rehetra. Raha izao Izy ataonareo Andriamanitry ny tantara niseho elabe taloha tany, dia tsy ho tsimiova intsony Izy ankehitriny. Dia ataonareo ahoana àry ny Hebreo 13.8? Hitanareo? «Izy no tsy miova omaly sy anio, ary mandrakizay.»

Izao àry dia jereo, izay mety ho vokatr’izany sy izay efa vokany. Sahady, dia efa nampandavina ny Teniny ihany Izy, ka nandiso toerana ireo Soratra Masina.

Raha tapatapahinareo ny Soratra Masina, dia mety ho diso ny fampitambaranareo ny Vatany; mety ho eo amin’ny toeran’ny lohany ny tongony, na zavatra toy izany. izany hoe, mety ho Jesosy mampianatra ny hafatr’i Mosesy no azonareo. Na koa aza, Wesley hampianatra ny hafatry ny taonan’i Lotera. Mety ny hafatra Pentekotista no ho fampianarana ho an’ny taonantsika izao. Hitanareo amin’izany ny ho mety hisafotofotoan’ny Teny? Efa naneho ny lokony ireo Pentekotista, ireo Loteriana ihany koa. Ary nanjary anaram-piangonana avokoa ireo, ka maty teo. Nikapoka ny taom-Piangonana, dia lasa.

Mariho tsara fa raha vao nisy fandaminana, dia maty izany. Hijerena, raha marina na tsia izany, dia avadibadiho fotsiny ireo pejin’ny tantara. Isaky ny nifandamina ny olona dia maty teo-noho-eo ireo, ary vita ny aminy. Nanjary mpanompon’ny andriaman’izao-tontolo-izao ireo, samy nivily tamin’ny rafitra fikambanana, fandaminana sy anaram-piangonana, ary fahadisoan-kevitra avokoa izy. Ireo “Rickies“ dia maro no nandrombaka ireny mba hampidirany ny heviny manokana. Ka inona no niseho? —Fifanjevoana. Hirona hankany amin’ny andriamanitr’izao-tontolo-izao, izany rehetra izany, ary ny hiafaran’izy ireo dia hampisatro-boninahitra an’i Satana, hihevitra azy ho mpitarika lehibe an’izao-tontolo-izao, izay hitondra fandriampahalemana eo aminy.

Nilaza taminareo aho, indray andro, ary mbola milaza aminareo, fa na ny fandrosoana anakehitriny aza dia mifanohitra amin’Andriamanitra. Mifanohitra tanteraka amin’Andriamanitra ny sivilizasiona. An-tapitrisa kilometatra lavitra Azy ny fanabeazana. An-tapitrisa kilometatra lavitra Azy ny siansa. Miezaka manohitra ny Tenin’Andriamanitra ny siansa sy ny fanabeazana, izany dia amin’ny alàlan’ireo semineran-teolojia, ireo sekoly, ireo fianarana siansa sns… Kanefa efa notsankontsanina izy ireo.

Inona ny hevitsika mikasika ilay fahitana indray hariva, naneho lehilahy iray niteny mafy ireo mpandala siansa tratra nandraraka ireny loto ireny. Nitodika fotsiny izy ireo, nandrandra ny masony, dia nanohy izay efa nataony. Kanefa mbola hitohy ny tantara.

Diniho. Oh! Misy baiko telo. Tsy tonga hitory ny hafatr’i Noa Jesosy, tsy tonga hitory ny hafatr’i Mosesy Izy, na koa i Mosesy hitory ny an’i… Hitanareo, aza manapatapaka ny Teny. Avelao Izy hijanona ao amin’ny Fotoany. Tsy afaka hampihatra… 

Jerentsika ny mikasika an’i Lotera, io lehilahy malaza nivoaka, nitondra ny hafatry ny fanamarinana io. Lehilahy nalaza i Lotera. Niantso ny fiangonana i Lotera. Niantso, ny fiangonana niala tamin’ny aizina izy, ka nampitoetra ny fanamarinana avy amin’ny finoana. Kanefa, rehefa vitany izany, dia nananganan’olona rafi-piangonana. Dia izay! Ary nifindra ny Aina, tahaka ny ataony ao amin’ny tahom-bary, nankao amin’ny taom-Piangonan’i Wesley, ka hatrany an-tampon’ilay zavamaniry. Avy tamin’i Lotera, dia nisy ravina hafa maro nipoitra izay maty koa, dia ireo niaraka tamin’i Zwingli, sy ireo hafa izay navoakan’iny Reformasiona lehibe iny.

Dia tonga i Wesley, taom-Piangonana hafa io, izay nivelatra toy ny salohim-bary. Hita tao àry i Wesley, i Atterby, i Jean sy ny rahalahiny, ary ireo hafa rehetra. Olo-malaza an’Andriamanitra, nitondra hafatra izay niely nandrakotra ny firenena. Fa nifandaminan’ny olona izany, dia maty.

Rehefa izany, dia noheverina hisy voa vaovao hipoitra indray, kanjo ny akofa no tao: ireo Pentekotista. 

Kanefa tao ambadik’izany rehetra izany, dia nisy tsimoka kely. 

Ary mariho fa… Ataoko fa telo na efatra taona taorian’ny naha-tao amin’ny sehatry ny asa misionera an’i Lotera, dia nifandamina ny fiangonana loterana. Taoriana kely ny nidiran’i Wesley tamin’ny asa misionera, dia nifandamina ny fiangonana.

Eto, ao Tucson, isika dia mahita fandaharana mitantara ny niandohan’ny fiangonana metodista. Fony tonga teto Amerika izy ireo, dia maro taminy no nilaza fa nanofa sambo avy tany Angletera, nitondrana izany tatỳ, saingy nivadika ho loza izany. Nahita ny nitrangan’ izany aho. Dia maty teo ny fiangonana.

Tamin’izany no nipoiran’ireo Pentekotista, ireo mpihiakihaka fahiny ireo. Nandray ny fanomezam-pahasoavana miteny fiteny-tsy-fantatra izy ireo. Dia nataony ho porofon’ny fandraisana ny Fanahy Masina izany. Nifandamina izy ireo avy eo. Nilaza ny sasany fa hanao an’izao, ny hafa kosa hanao an’izatsy. Nisy adihevitra lavareny. Inona no niafarany? Nisaraka ireo felana ireo, tahaka ny eo amin’ny taho sy ny salohy. Nisy ireo nino andriamanitra tokana, nisy ireo nino andriamanitra roa, nisy ireo nino andriamanitra telo, sy ny Fiangonan’Andriamanitra, ary ireo hafa koa, dia nirantsandrantsana hatrany hatrany izy ireo. 

Fa raha mijery ny zava-boaàry izay modely tsara amin’izany ianareo, dia hahatsapa fa hisy zava-mahasoa ho azo amin’izany.

Tsy ela izay, nisy zaza teraka tao amin’ny fianakaviana sakaizako anankiray, any Kentucky. Teo am-panomanana sakafo dia nitsangana ilay reniny, nanampy ny anabavy iray izay nanomana sakafo ho an’ireto rahalahy maromaro avy nihaza ireto. Nitomany ilay zazamenavava, raha mbola niteny aho. Ataoko fa somary menatra ilay reniny, ka nihazakazaka nampisakafo ilay zazakely. Dia hoy aho: “Hainao, ara-pomban’ny zavaboaàry izany!“ Hitanareo? 

Mbola tsy misy fomba hafa ahazoan’ny zazamenavava ny zavatra ilainy afa-tsy ny mitomany. Hanome boky fianarana fitondrantena azy, ohatra ianao, hipetraka eo, ary hiteny aminy hoe: “Anaka, andeha ampianariko teolojia ianao. Amin’izay ianao tsy hikiakiaka toy ireo zazamenavava hafa, satria tsy mitovy aminy ianao. Raha te-hihinana ianao, hetsiketseho fotsiny ity lakolosy kely ity.“ Tsy ho mety tsotra izao izany. Hitanareo, fa raha dinihina ny zavaboaàry dia…

Ankehitriny, dia hitantsika ny nandrafetana ireo taom-Piangonana rehetra, sy ny maha farany ny taom-Piangonana misy antsika izao. Niala ny akofa, ary efa dimy ambinifolo taona izao, roapolo taona tsy-ho-ela, no nielezan’ny Hafatra tany amin’ny firenena maro, ary izao maraina izao, ampitaina manerana ny firenentsika, nefa tsy nisy rafi-pandaminana nitsangana. Tsy afaka hanaovana rafi-pandaminana izany. Tsy mba nisy tahaka izany, ary tsy hisy ho avy. Hitanareo? 

Ny zava-dehibe amin’ny Hafatra ankehitriny, dia tsy maintsy tafatoetra eo amin’ny Fanatrehan’ny Zanaka ireo izay nandray izany ao amin’ny fony, mba ho tonga amin’ny fahamatorana. Hitanareo? Raha afaka mandray ny Hafatra ianao, dia avelao ny Zanaka hanamasaka izay manta rehetra ao aminao, mba hahatonga anao ho kristiana matotra. Azonareo ve ny tiako lazaina? Ho avy tsy ela Andriamanitra mba haka ny Fiangonany, ary tsy maintsy ho kristiana tahaka izany isika eo anatrehany vao ho raisiny. Tsy maintsy tonga amin’ny fahamatorany ny vary. 

Tsy maintsy eo ireto “tsy-azo“ telo ireto: Tsy azo adika vilana ny Teny, tsy azo avadibadika foana Izy, ary tsy azo disoina toerana Izy. Tsy maintsy tazomina tsy misy valaka amin’izay nilazan’ Andriamanitra Azy Izy. 

Ho an’izao-tontolo-izao, dia Boky mifono zavamiafina Izy. Ny olona dia tsy mandray Azy afa-tsy bokin-javamiafina. Indray mandeha aho niresaka tamin’ny lehilahy iray malaza eto an-tanàna. Malaza ho manana toerana ambony izy ao amin’ny tontolo kristiana. Ary hoy izy: “Nanandrana namaky ny bokin’ny Apokalypsy aho indray hariva. Tsy maintsy ho be dipoavatra loatra ny sakafo nohanin’i Jaona, ka nanonofy ratsy izy.“ Hitanareo? Bokin-javamiafina. 

Fa ho an’ny tena mpino kosa, Izy dia fanambaran’Andriamanitra mikasika ny taom-Piangonana iainantsika.

Niteny Izy hoe: «Ireo Teniko dia Fanahy sy Fiainana.» Izany no nolazain’i Jesosy. Ary koa: «Ny Teny dia ny Voa izay nafafin’ny Mpamafy iray.» Fantatsika fa marina izany. Andriamanitra amin’ny endrika Teny izany; ary tsy misy afaka mandika izany Teny izany afa-tsy Izy ihany. 

Tsy afaka mandika ny fisainan’Andriamanitra ny sain’olombelona. Ahoana moa no ahafahan’ny saina kely voafetra iray handika ny fisainana tsy misy fetrany, kanefa na isika samy isika aza tsy afaka mifandika ny fisainantsika akory? 

Mariho, fa Izy ary Izy irery ihany no afaka mandika ny Teny, ary amin’izay tiany no andikany Azy. Tsy voalaza hoe: “Fony tetỳ ambonin’ny tany ireo olon’ny andro fahagola, tamin’ny fotoana samy hafa sy fomba samy hafa, dia…“, fa kosa: «Andriamanitra, tamin’ny fotoana samy hafa sy fomba samy hafa, dia naneho ny Tenany tamin’ireo mpaminaniny.» Hitanareo? 

Ary mariho fa: “Amin’izay tiany Izy no haneho ny Tenany.“ Ary nataony izany tamin’ny fomba izay ahafahany miafina ao amin’ny Soratra Masina, mba tsy ahafahan’ireo teolojiana sy ireo marani-tsaina hahita Azy. Oh! la! la! Afaka miafina tsotra izao ao amin’ny Soratra Masina Izy. Mety hitady tontolon’ny andro ianao fa mety tsy hahita Azy. Mety hitady mandritry ny fiainanao manontolo ianao nefa tsy mba hahita Azy. Afaka mitoetra ao fotsiny Izy sady miafina.

Ary izao, azafady kely: na aiza na aiza misy anareo, avelao hiditra tsara ao aminareo izany: Andriamanitra dia afaka miafina izaitsizy ao amin’ny Teny, ka tsy hisy teolojiana na vondro-mpandinika manerana izao-tontolo-izao hahita Azy, kanefa Izy mitoetra eo foana 

Hoy ianareo: “Marina ve izany Rahalahy Branham? 

Ahoana àry amin’ireo Fariseo sy Sadoseo?. Ahoana ny amin’ireo taom-Piangonana tsirairay? Nataony izany. Tsy iadian-kevitra! Nanao izany Izy tao amin’ireo vanimpotoana rehetra. Azontsika hamarinina izany. Saintsaino moa ny tamin’ny andron’i Noa: vanim-potoana nanam-pahaizana, avara-pianarana, kanefa jereo ny fomba niafenany tao amin’ny Teny fikasany. Tamin’ny andron’i Mosesy, akory ny nanafenany ny Tenany; tamin’ny andron’i Elia, ahoana ny nanafenany ny Tenany. Akory ny nanafenany ny Tenany tamin’ny andron’i Jesosy. «Teo amin’izao-tontolo-izao Izy, ary Izy no nanaovana izao-tontolo-izao, nefa izao-tontolo-izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.» Hitanareo? Miafina amin’ny mason’ny olona marani-tsaina sy avara-pianarana indrindra eto ambonin’ny tany Izy. 

Hoy ianareo: “Indro àry Dr Ranona, ny Ray masina Ranona.“ Tsy ahoako na iza izy, na iza. Andriamanitra hiafina aminy, fa hiseho kosa amin’ny zazamenavava izay te-hianatra, hitanareo, ireo kilongan’Andriamanitra izay voa voatendry mialoha.

Saintsaino izany. Ilay Andriamanitra-Tsitoha, mitoetra ao amin’ny Teniny ihany, dia nanajamba ireo manan-tsaina sy be fahalalana amin’ity vanimpotoana iainantsika ity, kanefa tsy tsapan’izy ireo izany. Heverin’izy ireo ho firehidrehetam-poana izany. Jereo Izy mitoetra eo, sady miafina amin’ireo Pentekotista, amin’ny Batista, amin’ny Metodista, sy ireo Presbyteriana. Miseho mivantana imasom-bahoaka eo Izy, maneho zavatra isan-karazany, izay mivoaka an-gazety aza, kanefa tsy mahita Azy izy ireo. Oh! Endrey ny halehiben’ny Andriamanitsika, izay maneho ny Tenany amin’izay tiany.

Hilaza ianareo hoe: “Ny rahalahy Jones (na ny rahalahy Ranona), dia olo-manan-daza. Hahita izany izy.“ Tsia! Amin’izay tiany no anambarany izany. Hilaza ianareo hoe: “Tsy mety mahita izany ny vadiko, kanefa izy dia kristiana ihany.“ Miseho amin’izay tiany isehoana Izy. Hitanareo? “Kanefa anie ny pastorako dia olo-malaza ê!“ Marina izany, fa Izy dia miseho amin’izay tiany isehoana! Hamarino amin’ny zavatra efa voambara àry ny zavatra mitranga… dia mety ho azonareo tsara izany.

Araka izany dia tsapantsika àry fa Bokin’Andriamanitra io fa tsy boky nataon’ olombelona. Raha boky nataon’olombelona io, tsy isalasalana fa ho hafa ny fomba nanoratana azy. Jerentsika izao ny fomba nanehoany ny Tenany. Jereo ny namoahany ny fahadisoan’ireo olona izay nanoratra Azy, sy ny toetry ny fiarahamonina nisy azy ireo.

Raisintsika, ohatra, Abrahama, ilay antsoina “rain’ny finoana“: Heverinareo ve fa Abrahama, raha nanoratra io Boky io, dia ho nasehony tao ny hakanosany? Ahoana ny heveranareo fa izy dia ho nanoratra fa ny tenany dia nandainga tamin’ny mpanjaka, iny maraina iny, raha nolazainy fa anabaviny i Saraha izay vadiny? Ho soratany ve ireny hakanosana nataony ireny? Tsy iadian-kevitra fa tsy ho nanao izany mihitsy izy. 

Ary Jakoba sy ny fitapitany? Mpamitapitaka ity Jakoba ity. Ho afaka niteny toy izany ve ny Hebreo iray mikasika ny rahalahiny Hebreo izay ny anarany no ho fiantsoana ny Isiraely rehetra? Ho afaka nanoratra ny fitapitaka nataon’ny rain’ny firenena manontolo ve izy? Jakoba no nipoiran’ireo patriarka, ary ireo patiarka no nipoiran’ireo fokom-pirenena. Ary ny vato fehizoro an’izany rehetra izany no ambaran’ny Baiboly fa mpamitaka. Tsy izany ve? Heveronareo fa olombelona ve ho nahavita nanoratra izany? Tsia dia tsia!

Ahoana no hiheverana ny lehilahy iray izay nanoratra mikasika ilay mpanjaka lehibe indrindra teto ambonin’ny tany, Davida, ka ho nitantara ny fijangajangany? Jiosy ve ho afaka nanoratra fa ilay mpanjakany nanan-kaja indrindra dia nijangajanga? 

Oh! Ny Tantara dia ahitana olona tahaka an’i George Washington izay “tsy mba nandainga“, hono, na nanao zavatra tahaka izany. Tantara no ilazantsika izany.

Fa ny Baiboly kosa dia milaza fa Davida dia lehilahy mpijangajanga, kanefa mpanjakan’ Isiraely izy. Lehilahy nijangajanga izy, kanefa Jesosy no ho Zanany; Jesosy, Zanak’i Davida, ilay tena Vato sarom-bovonana; kanefa ny rainy ara-nofo dia lehilahy mpijangajanga. Ho nanoratra Boky toy izany ve ny Jiosy? Ho afaka nanoratra izany an-tsitrapo ve ny olona iray? Tsia dia tsia!

Ahoana Isiraely, io firenena be avom-po io, ho nanao izany? hainareo ny hambompon’izy ireo. Ahoana no ho nitantarany ny fanompoan-tsampiny, ny fiokony tamin’Andriamaniny, sy ireo zava-dratsy maloto rehetra izay nataony. Ahoana no ho nahafahany nirakitra izany tao anaty boky iray? Tsy maintsy ho nafeniny izany. Ny zavatra tsara ihany no ho nasehony. Fa io Baiboly io, dia sady milaza izay marina no milaza izay diso. Iaraha-mahafantatra fa ny Jiosy dia tsy ho afaka nanoratra Boky toy izany, mikasika ireo fahalotoany, ireo fanompoan-tsampiny, ireo tsifahombiazany, sy ireo zavatra hafa rehetra. Tsy mba ho nanoratra izany izy ireo. Tsy iadian-kevitra izany! 

Koa iza àry no nanoratra Izany? Hoy ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 1:1: «…nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa.» Tsy ireo mpaminany ireo izany. Tsy olona mety maty, fa Andriamanitra. Tsy ireo mpaminany ireo, fa Andriamanitra, tamin’ny andro samy hafa, no niteny tamin’ny razana fahiny, tamin’ny alàlan’ireo mpaminany. 

Misy andalan-tSoratra Masina nomarihiko ity, kanefa tsy haiko na mikasika inona, ka tsy afaka ampiasaiko. Ny fombako raha misy zavatra tiako ampiasaina dia jereko ao amin’ny Soratra Masina. Mamelà ahy ianareo hijery izany vetivety. Ao amin’ny 2 Timoty 3:16 izany. Noheveriko ho tadidiko ilay izy, kanjo tsia. Hijery izany iray minitra aho.

“Nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samy hafa sy fanao samy 

Jerentsika izay voalaza ao amin’ny 2 Timoty 3:16: “Izay soratra rehetra (Eny!) nomen’ny tsindrimandriy (an’ny mpaminany? Tsia! fa an’iza?) an’Andriamanitra dia mahasoa koa, ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara amin’ny asa rehetra.“ 

Tena tsara. Ny Soratra Masina rehetra dia avy tamin’ny tsindrimandry. Fony tetỳ ambonin’ny tany Jesosy, dia niteny fa ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Teniny tsy mba ho levona. Niteny Izy fa ho tanteraka ny Soratra Masina rehetra. Tsy boky mirakitra soratànan’ olombelona àry ilay Boky. Boky mirakitra ireo Soratànan’Andriamanitra Izy.

Fantatsika izao fa tendry mialoha no nifidianan’Andriamanitra ny Fiangonany, ny toerany, ireo mpaminaniny, sy izay rehetra mifandraika amin’izany. Araka ny fahafantarany mialoha no nanendreny ny Mpaminaniny. Ka rehefa tonga ny taona, dia tonga amin’io fotoana io koa ilay Mpaminaniny, ary nomeny tsindrimandry, nanoratany ny Baiboly tamin’ny alàlany. Tsy nanoratra ny Baiboly Andriamanitra afa-tsy tamin’ny alàlan’ireo mpaminany, satria izany no fomba Fiasany. Hitanareo amin’izany fa Tenin’Andriamanitra io fa tsy tenin’olombelona.

Andriamanitra dia dia Persona iray. Afaka miteny Andriamanitra. Afaka miresaka Andriamanitra. Afaka manoratra Andriamanitra. Tsy voatery nanao araka izany fomba izany Izy. Kanefa, izany no fomba nofidiny. Tsy voatery nanao toy izany Izy, saingy nofidiny izany. dia hilaza ianareo hoe: “Tamin’ny rantsan-Tànany, ireo rantsan-Tànany be voninahitra no nanoratany ireo Didy Folo. Koa afaka nanoratra mivantana Izy, raha tiany izany.“ Hitanareo? Fa nofidiny ny nanoratra tamin’ny alàlan’ireo mpaminany, satria ireo maneho ny Toetram-pahatanterahany, maneho ny Teniny; amin’ny alàlan’ireo no nitenenany, nataony ampahany izy rehetra, ampahan’ny Tenany. Hitanareo? Afaka nanoratra tsara tamin’ireo Rantsan-tànany Izy. Ireo Rantsan-tànany ihany koa no nanoratany teo amin’ny rindrin’i Babylona, hoe: « efa voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;» Nanoratra tamin’ireo rantsan-tànany Izy.

Mahay miteny Andriamanitra. Mino ve ianareo fa mahay miteny Andriamanitra? Niteny tamin’i Mosesy tao anatin’ny roimemy nirehitra Izy. Mino izany ve ianareo? Eny tokoa! Niteny tamin’i Jaona Izy tamin’ny endriky ny voromailala. Inoanareo ve izany? Hoy Izy hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.“ Niteny taminy Izy. Niteny tamin’i Jesosy Izy tao amin’ny tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, natrehan’i Petera sy Jakoba ary Jaona. Afaka miteny Andriamanitra; tsy moana Izy. Afaka miteny Andriamanitra. Niteny tamin’i Jesosy Izy teo anatrehan’ny olona marobe, ary hoy ny olona: “kotrokorana izany.“ Kanefa izany dia Andriamanitra niteny tamin’i Jesosy. Ary imbetsaka ao amin’ny Matio, Marka, Lioka, no miteny Jesosy. Andriamanitra Izy. Afaka miteny Izy.

Indray andro ny Rantsan-tànany ihany no nanoratany tamin’ny fasika. Niteny Izy, nitoriteny, naminany Izy, tamin’ireo Molony. Izany no nataon’Andriamanitra fony Izy nitafy nofo ka nitoetra teto amintsika. Niseho tao amin’ny nofo Andriamanitra tamin’izany. Raha afaka miteny sy manoratra Izy, tsy afaka koa ve Izy hilaza amin’olona izay tokony hataon’izy ireo. Tsy isalasalana fa vitany izany! Afaka miteny aminy amin’ny feon’olombelona Izy. Afaka manoratra Izy, mba hanoro azy ireo izay tokony ataony. Efa nanao izany Izy. 

Araka izany «Andriamanitra dia niteny tamin’ny razana, tamin’ny fotoana samy hafa sy fomba samy hafa, tamin’ny alàlan’ireo mpaminany.» Ary ao amin’izany soratra izany, dia milaza Izy fa: «…tsy hisy ho foana akory na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.» Ary mitranga izany, dia ho lasa, satria efa niseho. Tsy afaka ny ho foana izany, fa ny Teny mihitsy no tonga nofo. “Litera“ dia midika “teny kely“, ary “tendron-tsoratra“ midika “marika kely“. Tsy hisy diso ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, na fijanonan-tsoratra tokana aza, na vondron-teny tokana, na inona na inona. Tsy mety ho diso Izy, satria Andriamanitra Izy, Andriamanitra niseho tamin’ny endriky ny olombelona-nofo. Satria Izy Andriamanitra mihitsy no miseho amin’ny endrika Soratra, amin’ny endrika mpaminany, ary tonga nofo.

Izany no nahafahan’i Jesosy niteny hoe: “Ireo izay niteny taminareo dia nantsoinareo ‘andriamanitra’, ireo izay niteny ny Tenin’Andriamanitra taminareo.“ Ary hoy Izy: “Ary andriamanitra izy ireo.“ Ireny mpaminany ireny, rehefa voahosotry ny Fanahin’ Andriamanitra, ka mitondra ny Tenin’Andriamanitra marina, dia andriamanitra. Izany dia ny Tenin’Andriamanitra miteny amin’ny alàlan’izy ireo.

Tsy nanao fandikan-teny izy ireo, afa-tsy izay navelan’ny Mpamorona nadikany. Raha tianareo jerena izany, dia ao amin’ny 2 Petera 1:20-21. Tsy misy mpandikateny manokana, fa Izy ihany no manao ny fandikana ny Teniny. 

Miteny Andriamanitra, dia mandika ny Teniny, Izy ihany; ary ambarany Izany amin’izay tiany anambarana Azy, sady afeniny amin’ny hafa rehetra. Tsy voatery hanambara ny Teniny amin’ny olona rehetra Izy, raha tsy Sitrapony izany. Efa voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny zavatra rehetra; Koa efa nampahafantariny avokoa izany. Dia miandry fotsiny ny ahatanterahan’izany Izy. Hitanareo? Fa miandry fotsiny ny fiorenan’ny Vatana Izy, sy ny fiverenany indray amin’ny endriny, ny Ampakariny indray. Tsara dia tsara.

Ny mpino dia mino izany, tahaka ny nilazan’i Abrahama ho misy ny zavatra tsy azo heverina fa mety hisy.

Mamantatra ny zavamiafin’ny fo koa ny Teny. Voasoratra ao amin’ny Hebreo 4:12 fa mamantatra ny zavamiafin’ny fo Izy.

Tsy ny zavatra rehetra nosoratan’ny mpaminany dia fantatr’izy ireo; raha tsy izany dia tsy ho niteny izany izy, raha fantany izany. Hitanareo? Fa izy ireo dia nohetsehin’ny Fanahy Masina, hoy ny Baiboly. Nohetsehina! Rehefa manetsika anao ny Fanahy Masina, dia mihetsika ianao. “Tamin’ny andro samy hafa sy fomba samy hafa, Andriamanitra dia niteny tamin’ireo mpaminany izay netsehin’ny Fanahy Masina.“ Izany no nahatonga ireo olona ara-panahy tamin’ny vanim-potoana rehetra nanontany ny mpaminany mikasika ireo fotoana sy zavatra ho avy.

Tsy maintsy manana fiombonana tsy tapaka amin’ilay Mpamorona ny mpaminany-mpanoratra. Hitanareo? Tsy maintsy miaina ao amin’ny fanatrehan’ny Mpamorona mandrakariva izy mba ahafantarany izay ho endrik’ilay Boky. Hitanareo? Nanana penina mandrakariva ny mpaminany-mpanoratra, sady niombona tsy tapaka tamin’Andriamanitra-Mpamorona izy, mba hanoratany avy hatrany izay rehetra teneniny. Hitanareo? Hitantsika amin’izany ny karazam-piainan’izy ireo. Fiainana natokana, nisaraka tamin’ireo rahalahiny rehetra.

Izany no nahatonga ny fanahin’ny mpaminany niandany hatrany tamin’izay nolazain’ Andriamanitra; tsy tamin’izay noheverin’ny olombelona, na izay noheverin’ny vanim-potoana, na izay noheverin’ny fanjakana, fa tamin’izay noheverin’Andriamanitra. Tsy nambarany ho Teny afa-tsy ireo fisainan’Andriamanitra, satria ny teny dia fisainana nambara. Azonareo amin’izay ve? Ny teny dia fisainana voambara. Noho izany ny mpaminany dia niandry ireo fisainan’Andriamanitra. Ka rehefa manambara aminy ny fisainany Andriamanitra, izy kosa mamoaka izany ho Teny: “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO“. Hitanareo? (Hitanareo?). Tsy hoe: “Izao no lazaiko, izao mpaminany“, fa kosa “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO“. Hitanareo? Tsara dia tsara.

Izany no nahafahan’izy ireo nihaika fanjakana sy fiangonana, izay nidika fanamelohana ho faty azy tamin’ny fotoanany avy. Iza no ho afaka nanatona mpanjaka ka hilaza imasony hoe: “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, izao sy izao no hitranga?“ Ho tapahin-doha ianao. Ho vonoin’ny fiangonana teo-no-eo ianao raha nanao izany. Fa ireo mpaminany dia sahy. Satria nahoana? —Nohetsehin’ny Fanahy Masina izy ireo, (hitanareo?) ary izany no nananany fahasahiana. Ary dia nosoratany ny Tenin’Andriamanitra tsy-mety-diso.

Maro no nanandrana naka-tahaka ireo mpaminany ireo, toy ireo mpisorona sy ireo hafa. Saingy inona no nataony? —Nampikorontana ny zavatra fotsiny izy ireo. Izany no nataony; ka tsy nahomby izy ireo.

Satria Andriamanitra no nifidy ny olona ho an’ny vanimpotoana, ary Izy no nifidy ny Hafatra, ary na ny toetry ny olona nilaina tamin’izany fotona izany aza, sy izay mety ho vitany, ary ny fomba haefany izany… Ny toetr’io lehilahy io no hahavitany hanajamba ireo hafa. Ireo teny holazain’io lehilahy io, sy izay ho fihetsiny dia hanajamba ny sasany, sady hanokatra ny mason’ny hafa. Hitanareo? Notafiany araka izay tokony ho izy io lehilahy io, ary nomeny ny toetra, ny faniriam-pahombiazana, sy ny zavatra hafa rehetra ilaina araka izay tokony isehoany. Izany rehetra izany dia efa voafidy tsara araka ny toetry ny vahoaka manokana, izay hantsoina mandritra io fotoana io. 

Mandritr’izany kosa ny hafa dia hijery azy sady hiteny hoe! “Tsy afaka aho… Misy zavatra…Tsy afaka mahita aho…“ Nohajambaina izy ireo.

Tahaka izany koa ny fomba nahatongavan’i Jesosy: Andriamanitra tsy-mety-maty nitafy nofon’olombelona; Teraka teo ambony fihinanam-bilona, tao an-tranon’omby feno dikin’omby; tsy nanan-toarena iondanan’ny lohany akory, ary tsy afaka teo Aminy ny laza ratsy ho zazasary. Hitanareo? Ireo zavatra rehetra ireo no nanondro Azy, ary koa ny nahatonga Azy ho zanaka mpandrafitra, sy ny tsy mba nahitany sekoly.

Na dia niaina teo anivon’izao-tontolo-izao sy ny fahendreny aza Izy, dia tsy nanan-draharaha taminy, na ny sivilizasionany, na ny fanabeazany, na inona na inona, tsy nanan-draharaha taminy Izy. Satria hahoana? —Andriamanitra Izy. Ho nifandona taminy Izy raha ho nanandrana nanaraka seminera tany-ho-any, nianatra izay fanaon’ireo fiangonan’izao-tontolo-izao. Ary tsy ho nifanaraka velively tamin’ny Fahalalany izany, satria Andriamanitra Izy. 

Araka izany, ny fanabeazana, ny sekoly, ny seminera sy ireo zavatra rehetra ireo dia mifanohitra tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny rafi-pampianarana manontolo dia mifanohitra amin’Andriamanitra. Ireo fampianarana rehetra dia mampanalavitra antsika amin’ Andriamanitra hatrany. Raha mandre olona iray aho milaza azy ho manana “doctorat“, Ph.D, L.L.Q, dia hitako ho nanalavitra an’Andriamanitra izy. Hitanareo? Ny fianarana nataony dia tsy nanao afa-tsy ny nampanalavitra azy amin’izay tokony ho tena anjarany. Marina izany. 

Jereo àry ny fomba nanetsehan’ny Fanahy Masina azy ireo. Tsy midika akory izany fa ny olona manam-pahaizana dia tsy hisy ho tafiditra. Jereo i Paoly. Mino aho fa tamin’ny androny dia tsy nisy olona nanan-tsaina tahaka an’i Paoly, izay nantsoina Saoly-avy-any-Tarsis. Gamaliela, anisan’ny mpampianatra nalaza indrindra tamin’izany, no nampianatra azy, lehilahy tena nalaza, Hebreo hentitra, mpikambanan’ny anaram-piangonan’ny Fariseo. Izy no nanabe an’i Paoly. Araka izany, nahay ny fivavahana jiosy manontolo i Paoly. Kanefa, raha tonga tao amin’ny fiangonana izy, dia hoy izy: “Tsy tonga tany aminareo tamin’ny fahendren’olombelona sy ny manaraka azy aho, satria raha izany no nataoko dia ho niorina tamin’izany ny finoanareo. Fa tonga tany aminareo kosa aho tamin’ny hery sy ny fanehoana ny Fanahy Masina, mba ho ao amin’Andriamanitra ny finoanareo.“ Eo àry ianareo. Hitanareo? Marina izany. 

Maro no nanandrana naka tahaka ireny olona ireny, saingy nitondra fikorontanana fotsiny izy ireo, tahaka izay ataon’ny sasany ankehitriny koa.

Talohan’ny andron’i Jesosy, dia nisy lehilahy anankiray nitsangana, ary nitarika olona efajato. Ary hainareo izay voatantara mikasika izany ao amin’ny Soratra Masina, ny nanandraman’izy ireo nanao zavatra talohan’ny fotoana. Ary nisy tamin’ireny niezaka naka-tahaka Azy, ny sasany ho izao, ny sasany ho izatsy. Ka hoy Izy: “Amin’ny andro farany, dia maro no hitsangana ireo kristy sandoka, haneho famantarana sy fahagagana.“ Hitantsika izany rehetra izany. Hitanareo? Kanefa izany dia tsy manafoana ny tena-izy, fa vao mainka mampamiratra azy bebe kokoa, satria Kristy tena-Izy no antsika fa tsy sandoka.

Tsapantsika izao fa Andriamanitra no naniraka ireo Mpaminaniny. Izany no Fombany, itondrany ny Teniny amin’ny olona; ny molotr’ireo mpaminany no nampiasainy. 

Ary, raha te-hamaky ianareo, dia hitanareo ao amin’ny Eksodosy, toko fahefatra, ny andininy faha-10 sy 12, Mosesy nilaza fa niteny taminy Andriamanitra. Niteny nivantana tamin’olona iray Andriamanitra, ka hoy Mosesy: “Votsa vava aho. Tsy mahay aho. Tsy afaka handeha aho.“

Dia hoy Izy: “Iza moa no mampiteny ny vavan’ny olona, azy Iza no nampahamoana azy? Iza no nampahiratra azy ary Iza no nampalady ny sofiny? —Tsy Izaho Jehovah va? Izaho homba ny vavanao.“ Hitanareo?

Ary raha te-hamaky ianareo, ao amin’ny Jeremia 1:9, dia ho hitanareo fa niteny Jeremia hoe: “Andriamanitra no nanao ny teny tao am-bavako.“ Hitanareo? Tamin’ny mpaminany iray Izy dia niresaka nivantana. Ary tamin’ny mpaminany iray hafa Izy dia niteny tamin’ny alàlany; tsy voafehiny izany, fa tamin’ny alàlan’ireo molony Izy no niteny. 

Manana ny Fombany maro amoahany ny Teniny Izy, hainareo. Eny, Andriamatoa…

Hitanareo amin’izany àry fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra fa tsy tenin’ olombelona. 

Hoy Mosesy: “Niteny tamiko tamin’ny alalan’ny feo Andriamanitra ary nandre Azy aho. Dia nosoratako izay voalazany.“

Hoy Jeremia: “Tsy afaka niteny mihitsy aho, kanjo, niteny ho azy ny molotro raha mbola nanoratra aho.” Niteny tamin’ny alàlan’ny molony Andriamanitra, ary izay voalazany dia tanteraka. 

Toy izany koa tamin’i Daniela, sy Isaia, ary ireo mpaminany hafa rehetra.

Hainareo ve, fa ao amin’ny Testamenta Taloha fotsiny, dia maherin’ny in-droa arivo ireo mpaminany ireo no nanonona ny IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO. Raha ny lehilahy iray no miteny hoe IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, dia tsy olombelona no miteny. Fa raha sitrapony no anononany izany, dia tsy mpaminany izy fa mpiatsarabelatsihy, ka izay lazainy dia tsy mba ho tanteraka. Mety hisy riziky iray amin’ny iray hetsy ny hahamarina izany. Fa raha IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO izany, dia ny Tompo-Andriamanitra no niteny izany. 

Raha hoy aho hoe: “Hoy ny rahalahy Orman Neville“, na “Hoy ny rahalahy Vayle“, na izay rahalahy hafa ato, dia hamerina fotsiny izay voalazan’ireo aho. Raha mahatoky aho, dia hamerina fotsiny izay nolazainareo.

Ary ireo lehilahy izay mpaminany dia niteny hoe: “Tsy izaho no miteny. Tsy misy idirako amin’izany, fa IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO izany.“ Ny Baiboly àry no “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO”, amin’ny alàlan’ireo mpaminany.

Mariho, fa nandray ny Fanahin’i Kristy teo aminy izy ireo, ka naminany ny zavatra tsy maintsy hitranga. Raha faminaniana no resahina, dia efa naminany ny zavatra rehetra tsy maintsy hitranga mandritra ny vanimpotoana rehetra ireo mpaminany. Ary, na teo am-pipetrahana izy ireo, na teo am-pitsanganana, na teo am-pandriana, na teny am-pandehanana, dia teo aminy hatrany ny Fanahin’i Kristy, hany ka nitovy tamin’i Kristy mihitsy ny fihetsiny. Ka rehefa mamaky ny mpamaky, dia mihevitra fa miresaka ny amin’ny tenany ihany izy ireo. 

Tsaroanareo ilay ionoka izay namaky ny Isaia 53 hoe: «Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.» Ary hoy ilay ionoka tamin’i Filipo: «Iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?» Hitanareo, toy ny miteny mikasika azy ihany ny mpaminany rehefa miteny.

Jereo Davida raha nihiaka tao am-Panahy hoe: «Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao?… Mahisa ny taolako rehetra aho.» (izaho, Davida!). «Nanindrona ny tongotro aman-tànako izy.» Davida. «Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Ianao.» Tahaka i Davida mihitsy no miteny mikasika ny tenany amin’ny maha olo-masina azy. Fa izany dia ilay Zanak’i Davida, nitsiry toy ny Taranaka ara-panahy no ho tonga amin’izany. Fonosana ihany i Davida, fa tao anatiny dia nisy Voam-bary iray. Azonareo ve izany? 

Araka izany, ny Baiboly manontolo dia tsy tenin’olombelona, tsy nosoratana, na nentin’ olombekona. Tsy misy olona afaka hanambara ny dikany. Andriamanitra ihany no manambara ny Tenin’Andriamanitra; Izy ihany no mpadikateniny… Ao amin’ny Teniny ihany Kristy no manambara ny Tenany.

Jereonareo Kristy nitsangana sahady tao amin’i Davida. Tsy afaka nisaina ny tenany Davida tamin’io fotoana io. Toy ny nivoaka ny vatany ny fanahiny. Ary nihantona tamin’ny hazo fijaliana teo izy, tahaka ity hitanareo amin’ny sarisikotra eto ity, ary nikiaka izy hoe: «Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao?… Mahisa ny taolako rehetra aho…. Manindrona ny tongotro aman-tànako izy. Nolefoniny ny lanivoako». Hitanareo? “Nahoana no dia manalavitra ahy Ianao? Nandalo ireo ombilahin’i Basana dia nanifi-doha sy niteny hoe: “Natoky Izy fa hovonjen’Andriamanitra; ho hitantsika eo raha hanafaka Azy Izy.“ Ireo teny ao amin’ny Soratra Masina ihany no mbola nampiasain’izy ireo. 

Hitanareo àry fa, fony niseho tetỳ an-tany Andriamanitra, dia ireo teny nampiasain’i Davida ihany no nampiasainy. Azonareo ve? Hitanareo amin’izany fa tsy tenin’olombelona izany, fa kosa Tenin’Andriamanitra izany. Andriamanitra tao amin’i Davida izany. Tsy i Davida; tsy fantany izay nolazainy, fa tafiditra tao amin’ny Fanahy fotsiny izy. 

Tahaka izany koa i Mosesy. Tao amin’ny Fanahy, tafavoaka ivelan’ity saka niainany ity izy, ary nitoetra teo akaikin’ny roimemy nirehitra, nanatrika an’Andriamanitra mihitsy sady niresaka tAminy. Hoy Andriamanitra taminy: «Esory ny kapanao amin’ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.»

Azoko saintsainina ny eritreritr’i Mosesy raha niala teo izy: “Nisy inona teo? Inona no nitranga teo? Inona àry izy iny?»

Niteny taminy Andriamanitra hoe: “Midina any Egypta. Izaho homba anao.“

Dia hoy Mosesy: “Mazava loatra amiko izany; tsy maintsy mandeha aho.“ Nalainy ny vadiny sy ireo zanany, ilay zanany marimarina kokoa; ary ny tehiny teny an-tànany, dia lasa izy nankany Egypta, hanafaka ny fireneny. Hitanareo? Andriamanitra miteny, Izy ihany, amin’ny alàlan’ireo mpaminany.

Tsy ireo mpaminany akory, fa Andriamanitra, satria raha avy tamin’izy ireo ihany, dia tsy ho afaka niteny ireny ireo mpaminany. 

«Iza no nino ny teny nampitondraina anay?» Hitanareo? Isaia dia niteny hoe: «Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’i Jehovah?» … “Hitombo eo anatrehantsika toy ny zanak’omby iray ao an-tranon’omby Izy. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika, sy notorotoroina noho ny helotsika; Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka tAminy no nahasitranana antsika.» Efa tamin’izany fotoana izany, tamin’ny andron’Isaia, no efa nahasitranana antsika, izany hoe valonjato taona talohan’i Kristy. «Ny dian-kapoka tAminy (tranga efa lasa) no nahasitranana antsika.» 

Oh; akory ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra. Ry vahoaka, minoa Azy. Io irery ihany no afaka hamonjy anareo.

Raha ireo teny hafa rehetra, dia tsy ahoako ny hatsaran’ny fipetrany, na avy amin’iza ireny, na inona anaram-piangonana niaviany, na marani-tsaina toy ny inona ilay olona. Tsy tokony hohenoina izany rehetra izany, raha mifanipaka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ao amin’ny Galatiana 1:8 izany, raha tianareo ho marihina. Hitanareo, Hoy Paoly: «Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.» 

Izany hoe, raha misy anjely mamirapiratra iray hidina eo aminareo avy any an-danitra, dia ho fandrika izany amin’izay andro izay, ry namako, tsy izany ve? Na dia Anjely mamirapiratra iray aza hidina, ka hitsangana eo mba hiteny zavatra mifanipaka amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia teneno hoe: “Mialà amiko, ry Satana!“ Marina izany. Na arseveka izany, na iza na iza, aza mino azy, raha tsy mifanaraka tanteraka, ara-bakiteny, amin’ity Baiboly ity no teneniny. Mitandrema tsara, rehefa miresaka Baiboly aminao izy. Hitaominy any-ho-any ianao, ka ho voajonony eo. Rehefa hitanao fa ny Baiboly miteny zavatra iray, kanefa andalovany fotsiny izany, mitandrema ianao aminy. 

Hitanareo, toy izany no nataony tamin’i Eva. Tonga izy, ka niteny tokoa ny zavatra voalaza: “Izany tokoa ré no nolazain’Andriamanitra, ry Eva. Amena. Mino izany isika roa!“

“Tsara, izao no voalazan’Andriamanitra.“

“Amena. Mino izany isika roa!“

Izao no nolazain’Andriamanitra“

“Amena. Mino izany isika roa!“

“Eny, kanefa nilaza Andriamanitra fa ho faty izahay.“

“Eny, kanefa, hainao, Andriamanitra tsara fanahy Izy. Tsy niteny Izy fa tena hataony izany. Ary azo antoka fa…“ Oh! la! la! Dia izay. 

Ary raha mpamitaka toy izany izy, ary koa ny Baiboly milaza fa amin’ny andro farany, dia hamitaka na ireo olom-boafidy aza izy, raha azo atao, aiza àry ny tokony hitoerantsika ankehitriny ry sakaizako isany? Tokony ho fihinintsika mafy ao am-pontsika ireny lesona kely an’ny sekoly-alahady ireny. Tokony hihaino tena am-pifantohana isika; hahitantsika ny maha–mpamitaka azy.

Mariho fa tsy afaka, tsy mahazo mihaino ny tenin’olon-kafa isika. Tsy midika inona ny fahaizany sy ny fahalalany. Ny Baiboly, ao amin’ny Ohabolana, dia miteny fa tsy maintsy ialantsika ny famotopotorana (hitanareo?); ao amin’ny faribolana faharoa io… 

Ny faribolana voalohany dia misy: ny fahitana, ny fanandramana, ny fitsapana, ny fanimboloana, ary ny fandrenesana. Ny vatantsika ivelany izany.

Ao amin’ny vatana anatiny, izany hoe ny saina, dia misy ny famotopotorana, ny fisainana sy ireo hafa. Tsy maintsy manilika ireo rehetra ireo isika. Tsy afaka hamotopototra isika, ka hanao hoe: “Aoka aloha. Raha Andriamanitra tsara fanahy izy…“ Ary ankehitriny dia be loatra ny fitenenana Azy toy izany. “Raha Andriamanitra tsara fanahy Izy, kanefa izaho mandeha an-kitsi-po, na dia tsy hitako anaty Baiboly aza izany izao, dia ho voavonjy aho.“ Ho very ianao.

“Raha mankany am-piangonana aho, ka manao fotsiny ny zavatra heveriko fa marina, ary miezaka mijanona amin’izay heveriko fa marina izany, izaho dia…“ Mbola very ihany ianao. 

«Misy làlana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo làlana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.» (Hitanareo?) Tsy ho avotra ianao; ho very ianao. Hitanareo? Io anatiny io no tsy maintsy mifehy ny olona.

“Eny àry, rahalahy Branham, miteny teny tsy fantatra aho. Tsy mino ny fitenenana teny tsy fantatra ve ianao?, rahalahy Branham?“ —Tena mino aho. “Nihiaka aho, tsy mino izany ve ianao?“ —Ekena, Andriamatoa. “Miaina fiainana kristiana tsara aho; tsy inoanao ve izany?“ —Ekena, Andriamatoa. Saingy izany mbola tsy midika fa voavonjy ianao. Olona tsara fanahy ianao, madio, tsara fitondrantena, masina. Toy izany ireo mpisorona taloha, mpivavaka hatrao am-pony, mpivavaka loatra, hany ka raha nisy iray nania, dia novonoina notoraham-bato. Ny fahafatesana no sazin’ny nanaovana an-tsirambina ny Tenin’ Andriamanitra.

Izany no tsy mety ato amin’ny firenentsika ankehitriny. Matoa maro loatra toy izao ny tsifanarahan-dalàna ankehitriny, dia ny sazy no malefaka loatra. Raha misy lehilahy tratra mifanadala amina vadin’olon-kafa, dia tokony ho vosirina imasom-bahoaka izy roa, vao halefa. Marina izany. raha misy tratra manao hadisoana eny an’arabe, ohatra hafainganam-piarakodia tafahoatra, dia tokony ho gadraina, tsy latsaky ny folo taona, satria efa famonoan’olona mialoha sahady izany. Izany dia hampidina ny hafainganam-pandehan’izy ireo. 

Kanefa, raha misy mpanao politika lò iray tratra amin’izany, dia afahana, satria, hono: “Oh, nisotro kely monja izy, tsy nihevitra ny hanao izany izy…“ Kanefa izy mety ho nahafaty lehilahy iray sy ny vadiny, ary zaza maro tsy manan-tsiny! Dia afahana fotsiny toy izany izy; izany ny politika. Izany izao-tontolo-izao; izany ny devoly.

Andriamanitra niteny fa raha misy lehilahy, na vehivavy tratra nijangajanga, dia tsy maintsy havoaka ny toby izy roa, ka toraham-bato. Izay dia vita. Hitanareo? Raha nisy tratra nanangona kitay ny andro Sabata, dia: “Sambory izy, ka toraho vato.“ Araka izany no niainan’izy ireo fahiny. Fa ankehitriny, hitanareo, tsy manana karazan-dalàna toy izany nananan’izy ireo izany isika.

Fa ho an’ny kristiana kosa, ny Fiangonana, ianareo izay iresahako izao maraina izao, io lalàn’Andriamanitra io dia ao anatin’ny fonareo. Hitanareo? Tsy manana faniriana hanao ratsy ianareo. Ao anaty ao izany. Tonga lafatra loatra no tianareo hihazonana ny lalàn’Andriamanitra. Na inona izany na inona, tianareo foana ny ho… Raha mila famafan-tongotra eo am-baravarana Andriamanitra, ka ianao no tiany ho izany famafan-tongotra izany, dia hahafinaritra anao loatra izany. Tsy ahoanao na maninona izany, fa tianao ho famafan-tongotra ianao. Hitanareo? Izay tian’Andriamanitra ho ianao, dia izany koa no tianao ho ianao, satria Andriamanitra Izy. Tahaka izany no hahatongavanao amin’ny tena fitiavana an’Andriamanitra.

Hitantsika fa raha misy anjely aza tonga mitory zavatra hafa noho izay voasoratra ao amin’ny Baiboly, dia «aoka izy ho voaozona.» Tsy misy mahazo manao izany. tsy azo atao izany. Tsy maintsy izay voalazan’ny Baiboly ihany no tenenina, tsy misy valaka.

Ary vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 22:18-19, fa “Raha misy manampy na manaisotra Teny iray amin’ity Boky ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany ao amin’ny Bokin’ny Fiainana.“ Marina izany. Hesorin’Andriamanitra ny anjarany, na mpitoriteny izy, na iza na iza. Raha ao amin’ny Bokin’ny Fiainana aza ny anarany, hoy Andriamanitra, dia “ho fafako fotsiny izao izany“, raha manampy na manaisotra teny tokana ao izy. Marina izany. Toy izany àry no maha-tsy-mety-diso nanaovan’ Andriamanitra ny Teniny. Afaka manampy izay an’ny fiangonana ianao, na manaisotra ny ao amin’ny fiangonana. Fa ianao aza manampy amin’io Teny io, na manaisotra amin’io, satria ho fafan’ Andriamanitra ao amin’ny Bokin’ny Fiainana ny anaranao. Amin’izay, dia vita ny aminao. Hitanareo? Tsy mahazo manampy na manaisotra zavatra ao ianareo. 

Tsy mila mpandika Azy ny Baiboly, satria ny Baiboly dia milaza fa Andriamanitra no manao ny fandikany ny Baiboly. “Tsy misy fandikana manokana“, hoy Petera. Tsara dia tsara.

Ary ny Soratra Masina rehetra dia Andriamanitra no nanome Azy, Andriamanitra no nandrafitra Azy, ary ny fitambarany dia fanambarana an’i Jesosy-Kristy. Ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia manambara ny Fiaviany, sy izay hataony rehefa tonga Izy, ary izay hataony mandritra io fotoana mbola ho avy io. Ary izay no mahatonga Azy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hitanareo?

Izany no nosoratan’i Paoly ao amin’ny Hebreo. Andriamanitra Izy, “Jesosy Kristy omaly“ tao amin’ny Testamanta Taloha. “Jesosy-Kristy ankehitriny“, miseho amin’ny endrika nofo. Ary “Jesosy-Kristy mandrakizay“, amin’ny endrika Fanahy, “ho avy.“ Hitanareo? Hitanareo? Tsy miova omaly, sy anio ary mandrakizay. 

Ary velona hatrany Izy, mba hampivelona ny Teniny, araka izay efa nambarany fa hataony isaky ny vanimpotoana voatondro. Velona Izy 

Velona Izy, ary naneho ny Tenany, tao amin’ny Testamenta Taloha. Te-hamela anareo hahita zavatra kely aho eto, raha zakanareo izany. Jereo: Araka ny efa inoantsika, Jesosy dia naseho tao amin’ny Testamenta Taloha. 

Fa ianareo mpitoriteny ivelan’ny eto, dia afaka miady hevitra ny amin’izany, sy manao izay tianareo atao, fa izaho miteny ny hevitro fotsiny. Hitanareo?

Raha niseho tamin’ny endrika teofania, tao amin’i Melkizedeka Jesosy, tao amin’ny Testamenta Taloha, dia tsy naneho asam-pisoronana izany, fa tena Olona iray, Lehilahy iray. Hitanareo? Ary satria mbola tsy teraka io Lehilahy io, na teo aza Izy tamin’ny endrika teofania, dia tsy nanan-dray na reny. Izy dia ilay Andriamanitra ihany, niseho tamin’ny endriky ny Lehilahy iray nantsoina “Mpanjakan’i Salema, izay Mpanjakan’ny Fiadanana sy Mpanjakan’ny Fahamarinana.“ Hitanareo? Melkizedeka Izy tamin’izany. «Tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana voalohan’andro na faran’ny fiainana.» Izy dia Jesosy tao amin’ny teofania, naka endriky ny Lehilahy iray. Azonareo ve izany? Tena tsara.

Avy eo Izy dia tena nitafy nofon’olombelona, ka nitoetra tamintsika, tao amin’ny Tenan’i Jesosy-Kristy, naterak’i Maria virijina. Tonga tamin’io endrika io Izy mba nahafahany ho faty sy hiverina any an-Danitra.

Nampanantena koa Izy, amin’izao farany izao, fa haneho ny Tenany amin’ny fahafenoana indray, an’ny Nofony, ao amin’ny Fanahy. Hitanareo? Satria “tahaka ny tamin’ny andron’i Sodoma, dia ho tahaka izany koa amin’ny Fiavian’ny Zanak’olona.“ Jereo Sodoma, nanao ahoana ny fipetrany, ary inona no nitranga. Ary jereo Jesosy-Kristy, aseho amin’ny endrika Vatana ao amin’ny Fiangonany, ankehitriny, manao ireo zavatra ireo ihany, ireo asa efa nataony hatramin’izay ihany, tsy mba miova, Ilay maharitra Mandrakizay. Ary ankehitriny, eto an-tany Izy, miseho ao amin’ireo vatan’olombelona, ireo vatantsika olombelona izay nantsoiny: ary Izy manao tsy misy valaka ireo zavatra efa nataony ihany tamin’ny fotoana samy hafa, sy fony Izy tetỳ an-tany nitafy nofo. Ary izany ihany no ataony izao, satria: “Andriamanitra, tamin’ny fotoana samy hafa, dia niteny tamin’ireo razana fahiny, tamin’ny alàlan’ny mpaminany; fa amin’izao farany izao, dia amin’ny alàlan’i Jesosy-Kristy Zanany no itenenany.“ Andriamanitra naseho tamin’ny nofon’olombelona, tonga talohan’ny fandravana an’i Sodoma, izay maneho ny fiafaran’ny tontolon’ny Jentilisa. Hitanareo ve izany? 

Misy fisehoana telo.

Ny mitranga manaraka dia ny fitambaran’ny rehetra ho Olona tokana, Jesosy-Kristy, Vady sady Vatana, amin’ny Fiverenan’ny Tompo Jesosy amim-batana. Manatanteraka ireo fotoanany telo… Fony Izy tonga tetỳ an-tany, dia maty nofantsihina tamin’ny hazo fijaliana, ary nitsangana tamin’ny maty. Fa Izao Izy maneho ny Tenany amin’ny endriky ny Vatany, izay ny Vadiny ihany, ny Vehivavy. Azonareo ve izany? Ravehivavy dia ampahan’ny Vatany. 

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mifanakaiky loatra ka lasa iray amin’ny farany… Iray izy ireo. Tokony ho izany izy ireo, na manao ahoana. Ireo izy, hitanareo, mitovy tanteraka ny fisehon’izy roa. Ravehivavy dia ampahan’ny lehilahy, satria notsoahina avy tao aminy. 

Ary ankehitriny, ny Vady dia tsoahina avy amin’ny Vatan’i Kristy, izay miasa sy manao tsy misy valaka amin’izay nambarany fa hataony amin’izao andro izao: Ilay Vady, ny Mpanjakavavy. Ny Mpanjaka sy ny Mpanjakavavy. Tsara dia tsara.

Mandroso antoandro ny fotoana, ka tsy maintsy manafaingana isika, mba hamaranana.

Ny Baiboly manontolo dia fanambarana feno an’i Jesosy-Kristy, izay nampahafantatra ny Tenany tamin’ny vanimpotoana tsirairay. Tamin’ny andron’i Lotera, nampahafantatra ny Tenany ho fototry ny fiangonana Izy, ny tongotra, na ny ranjo izany.

Toy ny nataony tamin’ny andron’i Nebokadnezara, tsaroanareo ny nanofisany io nofy io, izay nidina niainga avy tamin’ny loha? Hitanareo? Ary ankehitriny izany, dia miakatra miainga avy amin’ny tongotra. Hitanareo? Ny Testamenta Taloha manontolo no nasehony, tao amin’ny Fanjakana Babyloniana, nidina niala ny loha, mandra-pahatonga Azy ho Andriamanitra tonga nofo, eo an-tongotry ny tohatra. Ankehitriny, ato amin’ny Testamenta Vaovao, dia miakatra Izy hatrany amin’ny loha indray, ilay Loha volamena, mba ho satrohina satro-boninahitra. Hitanareo? Jereo. Azonareo izany? 

Teo Andriamanitra tamin’ny fiandohana. Ary nidina hatrany Izy tamin’ny alàlan’ireo mpaminany. Nidina hatrany Andriamanitra mandra-pahatonga Azy ho olombelona tahaka antsika. Teo, am-paratongotry ny tohatra Izy, zazamenavava iray, teraka tao anaty fihinanam-bilona, nankahalaina, nolavina, natao tsinontsinona, noharatsiana ny Anarany, sy ny zavatra rehetra nikasika Azy. Fa nanomboka niakatra Izy, hitanareo, ka niainga tamin’ny tongotra, dia nanomboka nanorina ny Fiangonana, ny Vady. Ary ankehitriny Izy miverina toy ny Vato Sarom-bovonana, manambatra ny rehetra ho tonga ilay Vatana lehibe voaova an’i Jesosy-Kristy. 

Andriamanitra dia voambara ao amin’ny taom-Piangonana tsirairay, amin’ny alàlan’ny Teny fikasany ho an’io taona io. Eo am-pamaranana, dia andao isika hijery Teny fikasany vitsivitsy ho an’ny ankehitriny

Ankehitriny dia maneho ny Tenany Andriamanitra, ao amin’ny fotoan’ny Hazavan’ny hariva

Misy andalan-tSoratra Masina eto amiko izay nomarihiko. Araka ny ahitanareo azy amin’ity pejy ity, dia maro no voasoratra ao. Saingy, tsy manana afa-tsy dimy ambinifolo minitra isika alohan’ny mitataovovonana. Izaho koa efa te-handeha. Toa tsy nahafarim-peo ahy ny miteny androany maraina. Indraindray dia tena mahafarim-peo ahy ireny fampangatsiahan-drivotra ireny.

Ka raha tsy nanomana zavatra ho an’ny rahariva ny rahalahy Neville… Tsy manana ianao anio hariva? [Miresaka amin-drahalahy Neville ny rahalahy Branham.—Réd] Tsara dia tsara. Raha izany dia misy zavatra hoentiko. Indray andro aho nahita fonon-tsigara tany an’ala. Nahazoako hafatra iray io fonon-tsigara io, izay, raha sitraky ny Tompo, dia hoentiko anio hariva. Hitanareo?

Nomarihiko ato ireo andian-tSoratra Masina, ka tsy te-hihoatra ny fotoana aho, ary ianareo afaka miverina. Fonon-tsigara no hiteny. Tsara.

Vao niditra tao amin’io àla io aho, indro fonon-tsigara teo amin’ny tany. Nanohy ny diako aho, sady nisaina hoe: “Misy olona eo alohako.“

Dia nisy zavatra niteny tamiko hoe: “Miverena ka alaovy io.“

Nisaina aho hoe: “Izaho ve? Hàka io fonon-tsigara io? Tsia!“

Dia nisy zavatra niteny hoe: “Miverena, ka alaovy io fonon-tsigara io!“ 

Koa, niverika aho. Fonon-tsigara efa tonta, sady foana no teo, ka tamin’izay dia nahatsikaritra zavatra iray aho. Horesahako aminareo anio hariva izany, raha sitraky ny Tompo. Tena tsara.

Izao, dia hiresaka fohifohy mikasika ireo Hazavan’ny hariva isika. Maminany ny Baiboly fa, eo amin’ny fiafaran’ireo fotoana, dia hisy fotoana izay hamiratan’ny masoandro, ary hisy ny Hazavan’ny hariva. Tsy efa fantatsika rehetra ve izany? Isika izay efa zatra ny Hafatra ho antsika ankehitriny avy amin’i Jesosy Tompo, mino isika fa hisy ny Hazavan’ny hariva. 

Tsy isalasalana fa ho avy io Hazavana lehibe io, rehefa i Jesosy, Izy Tenany mihitsy, no haseho eto ambonin’ny tany, na eny amin’ny lanitra ambony, hampakatra ny Vadiny. Amin’izay, dia hipetraka ny Fanjakana-arivo-taona.

Fa isika kosa, dia tsy maintsy mandalo fotoana iray izay ho anisan’ny mampahory indrindra amin’izay niharetan’ny olombelona. Ka manantena fotoana iray aho, izay hahazoan’ny rehetra mandao ny asany mandritry ny andro vitsivitsy, hahafahantsika mandeha any-ho-any, ary hahafahako hiresaka mikasika ireo loza sy ireo zavatra tsy maintsy ho avy mandritra ireo andro farany. Tiako raha ho afaka hiaraka mandritra ny roa na telo herinandro isika mba hitondrana izany, raha sitraky ny Tompo ny mbola hahavelomako mba hanaovako izany, ary homeny tolo-tsaina amin’izany aho. Ho hitanareo ny filatsak’ireo zavatra ireo, sy ireo kotrokorana. Dia ho hitanareo ireo zavatra efa nonofisin’io lehilahy io sy ireo olon-kafa, sy ireo zavatra rehetra izay hitranga. Hitanareo? Ho voamarikareo izay hambaran’io kotrokorana lehibe io, izay ho avy eny amin’ny lanitra. Marina fa fantatrareo rehetra fa haiko ny dikan’izany. Aleo fotsiny isika miandry ny hiavian’ny fotoana. Dia ho tena fotoanany tokoa amin’izay.

Hamaky andalan-tSoratra Masina vitsivitsy àry isika. Ankehitriny, amin’ny fiavian’ireo Hazavan’ny hariva, dia marihontsika fa tsy maintsy ho ilay Hazavan’ny maraina ihany izany.

Satria tsy misy masoandro iray ho an’ny maraina, ary iray hafa ho an’ny folakandro. Masoandro iray ihany no misy. Ny masoandro tonga folakandro io ihany no tonga ny maraina, ary ilay tonga ny maraina ihany no tonga ny folakandro 

Fa eto, dia voalaza, fa ny “tena andro“, ny andro manelanelana io fotoana io, dia ho “andro maloka sy mampalahelo. Tsy ho mety antsoina antoandro na alina izany, fa anelanelan’ireo. 

Hitanareo, izany no fiforonan’ny Vatana, miakatra, miainga avy eo amin’ny tongotra.

Fony tetỳ an-tany Izy, dia Izy no Zanaka, Fahazavana. Dia novonoina Izy. Nandimby Azy ny Fiangonana, izay nandalo ireo vaninandron’ny maritiora, namakivaky ireo taom-Piangonana maizina, ary nanomboka nanorina teo ambonin’ny fanorenana izay nivoaka. Avy aiza àry no iavian’ny maso? —Avy ao an-tampon’ny loha. 

Hitanareo io fahitan’i Nebokadnezara io? Hitanareo izy nidina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny fotoanan’ny Jentilisa, talohan’ny nandatsahana ny Rà ho fifonana ho azy ireo. Prozelita izy ireo no nampidirina. Mariho fa io fahitana io dia nidina, dia nidina, nidina hatramin’ny farany ambany, hitanareo, ho fanehoana ny ho fidinany. 

Avy eo izany no niverina, niakatra. Ny Fiangonana izany, izay niakatra niainga avy teo amin’ny tongotra. Ankehitriny, eo amin’ny andron’ny loha Izy. Dia mariho fa tonga ny Hazavana.

Tsy afaka hahita amin’ny alàlan’ny tànanareo ianareo, na ampahan’ny tenanareo aza ireo. Tsy afaka mahita amin’ny sofinareo ianareo, na afahanareo mandre feo aza izany. Tsy afaka hahita amin’ny oronareo ianareo, fa ny mandre fofona no efanareo aminy. Tsy afaka hahita amin’ny molotrareo ianareo, fa izany kosa no ahafahanareo miteny. Hitanareo? tamin’ny taonan’ny Pentekotista izay. Fa ankehitriny, fotoanan’ny maso, fotoanan’ny fahitana. Hitanareo? Eo ambonin’ny maso dia tsy misy zavatra afaka mihetsika intsony. Tsy marina ve izany? 

Ny manaraka azy dia ny fahalalana, izay i Kristy mihitsy, izay mifehy ny Vatana manontolo.

Tsy misy hetsika, tsy misy fikisahana eo ambonin’izany. Hitanareo? Ny zavatra hafa rehetra dia nihetsika. Hitanareo? Afaka manetsika ireo tongotrao ianao, manetsika ireo ozatrao, manetsika ny zavatra rehetra… Afaka manetsika ireo sofinao ianao, manetsika ny molotrao, sy ny sisa. Fa ambon’ireo masonao dia tsy misy intsony zavatra mihetsika.

Izany, hono, ny mahatonga ny lehilahy halaky sola, satria tsy misy hetsika azo atao amin’ny volo sy ny karan-doha. Hitanareo? Tsy voatosika hatrany ny rà, ka tsy afaka miakatra mba hamelona ireo foto-bolo izay miaina amin’ny rà. 

Hitantsika amin’izany fa tsy misy zavatra eo ambonin’ny maso.

Andao jerentsika izany izao. “Hisy Hazavana.“ Amin’ny mitataovovonana? —“Amin’ny hariva.“ Haninona no andefasana ny Hazavana? —mba ahafahanareo mahita ny manodidina anareo, hitarika anareo. Tsy marina ve izany? Mba ahitanareo aiza-ho-aiza no misy anareo. “Hisy Hazavana, rehefa hadiva hariva ny andro.“

Raisintsika izany izao, mba hampitahantsika amin’ny Malakia 3:23-24. Izy dia nampanantena fa hisy Hazavana amin’ny andron’ny hariva. «Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, … Ary izy hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana.» 

Raisintsika izao ny Lioka 17:30, ka jerentsika izay efa hitan’i Jesosy mialoha, raha niteny Izy hoe: “Tahaka ny tamin’ny andron’i Sodoma, dia ho tahaka izany koa…“ 

Mariho, fa izany dia ho amin’ny fotoana izay hisehoan’ny Zanak’olona, amin’ny fotoana fampisehoana ny Zanak’olona. Fa ny Zanak’olona dia toy ny tena naseho sahady, fotoana fohy, nialoha indrindra ny nandorana an’i Sodoma. Fa Elohim io Lehilahy io, Andriamanitra izany. Ary Jesosy dia Andriamanitra. Ary toy ny niseho vetivety Andriamanitra, mba hiteny tamin’i Abrahama mikasika io fanadihadiana mialoha ny fitsarana io. Naseho fotoana fohy monja ny Zanak’olona, Elohim. Hitanao ve izany, ry Fiangonana ô? Ny Zanak’olona, Elohim, dia naseho minitra vitsy, satria ny maraina ampitson’io, dia nodorana i Sodoma. Oviana? —Talohan’ny niposahan’ny masoandro indray.

Araka izany, tsy mety hisy rafi-pandaminana hijanona, na fandrosoana ankoatra izay ho avy izao, satria hodorana izany, mialoha ny hiposahan’ny masoandro indray. Efa lasa ny fifohazana manerana ny firenena. Tsy hisy fifohazana intsony. Ity firenena ity dia tsy hahazo intsony ireny fifohazam-panahy lehibe mifaoka izay rehetra andalovany ireny. Mety hanana fivoriana ara-tsaina ianareo. Fa fifohazana ara-panahy no teneniko, ary efa hitantsika avokoa ny rehetra amin’izany. Manantena aho fa azonareo izany. Lazaiko amin’ny fomba izay antenaiko fa ahazoanareo azy izany. Hitanareo? Efa dila izany.

Aninkeheo, dia nisy pastora iray, tena mendrika, niteny tamiko hoe: “Rahalahy Branham, raha mba afaka hanana ny fifalian’ny Tompo ato am-poko aho.“

Dia hoy aho: “Anaka, efa tapitra ny fifohazana.“ Hitanareo?

Ankehitriny, dia efa nakarina ao an-tsambo ireo vatofantsika. Onja lehibe mahatahotra no eo alohantsika, ivelany ao. Kanefa fantatsika, rehefa tafita any ambadik’ izany isika, dia mihamanatona ny morontsiraka. Hitanareo? Mitonia fotsiny. Mitoera fotsiny ao amin’ny Teny. Aza miala amin’Andriamanitra. Tsy maninona izay fahatsapanao, tsy maninona ny zavatra hafa rehetra, mitoera ao amin’ny Teny. Aoka ho tony hatrany, rehefa mahita ireo rahona vaventy miodidina antsika, ireo tafiotra tamy, sy ireo baomba atomika, ary mandre ireo zavatra resahin’olona. Fa ny fampitoniana antsika dia ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza Andriamanitra fa ho ao izany; ary hihoarantsika ireo onja. Yah! Hiakatra eo an-tampon’ny tsirairay isika. Eny tokoa! Tsy afaka hanafotra antsika ireo. Tsy afaka hisarika antsika ireo. Fa na halevinareo ao am-pasana aza izahay, dia hivoaka avy ao indray. Izany no izy. Tsy afaka mihazona antsika izao-tontolo-izao, na manao ahoana. Ho tetezintsika tsirairay ireo, satria ny Kapiteny lehibe antsika no miantso erỳ am-pita.

Mifantsika amin’i Jesosy isika,
Hiaika ireo tafiotry ny fiainana aho,
Efa mifantsika amin’i Jesosy aho,
Tsy matahotra aho na rivotra na onja.

Na inona hitranga na inona, aoka izany ho avy; tsy hampaninona izany, satria mifantsika amin’i Jesosy isika. Raha velona aho, dia velona ho voninahitr’Andriamanitra. Raha maty aho, dia maty ho voninahitr’Andriamanitra. Ho voninahitr’Andriamanitra ihany; izany no tiako hatao. Rehefa ho vita ny zavatra rehetra, tsy te-hitoetra ela eto intsony aho. Te-ho any amin’izay misy ny valisoako aho, io valisoa izay tsy izaho no nahazo azy, fa Izy no nahazo izany ho ahy, ary nomeny ahy noho ny Fahasoavany.

Hitantsika àry fa tonga ny Hazavan’ny hariva. Fa inona no tombontsoa anànana hazavana raha tsy manana maso hijerena ny manodidina anao ianao? Inona moa ny Hazavan’ny hariva? —Ny Hazavana tonga, dia ny hampiseho zavatra. Marina ve izany? Raha misy zavatra eo, izay tsapanareo kanefa tsy hainareo inona izany, satria ao amin’ny maizina, dia arehitrareo ny jiro, mba ahitana ilay zavatra! Inona no ataon’ny Malakia 3:23-24? Hitanareo? Izany ihany no ataony. Inona no ataon’ny fanokafana ireo Tombokase, izay mampivembena ireo anaram-piangonana rehetra? —Mba hanala sarona, ka hampivoaka. Saingy, raha tsy manana maso ianareo, inona no ilànareo ny fanalana sarona? Tsy maintsy manana maso aloha, vao afaka hahita. Marina ve izany? Izany no hanambara ny Malakia 3:23-24, ny Lioka 17:30, ny Jaona 14:12, sy ny Jaona 15 ;24 sy 16:13, ary Apokalypsy 10:1-7. Ny anton’ny fanokafana ireo Tombokase fito sy ny Hafatry ny anjely fahafito, dia ny hanalana sarona, ny hanambarana, rehefa tonga ny Hazavan’ny hariva.

Ao amin’ny Taonan’i Laodikia, ny olona dia “mitanjaka“. Tsy izany ve izy ireo? sady “jamba“. Hahasoa ny olona jamba amin’inona ny hazavana? Raha ny jamba mitarika jamba, tsy ho any an-kady ve no iafaran’izy roa? “Mitanjaka, jamba, kanefa tsy fantany“. Na ireo fahafahany mandinika aza dia very, ireo fahafahany mandinika ara-panahy, hitanareo? 

“Ireo dia olona marani-tsaina, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, mpamilivily ny fahamarinana, mpanendrikendrika, ratsy fitondrantena; tsy manaja izay masina, tsy tia ny tsara, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa mandà ny heriny.“ Ny herin’ny fanambarana, tsy mino izany izy. Hitanareo? Tsy mino ny mpaminany sy ny toy izany izy ireo. Tsy mino izany izy. Ny inoany dia tokony ho fiangonana na rafi-pandaminana ny Malakia 3:23-24. 

Lehilahy iray izany, fony tonga voalohany. Tamin’ny fanindroany, dia lehilahy iray nanana anjara roa. Raha tonga tamin’ny endrilk’i Jaona Mpanao batisa izy, dia lehilahy iray koa. Hitanareo?

Amin’ireo andro farany, rehefa hanomboka hamiratra ny hazavan’ny hariva, dia hisokatra ny maso ka hahita izay alehanareo ianareo. Amin’izay fotoana izay, dia efa ho niforona ny Vatana, hijoro amin’ireo tongony izy, ka handeha, hetsehin’ny Fanahy Masina. Inona izany? —Mbola Ilay nihetsika tao amin’ireo mpaminany ihany, ireo izay nanoratra ny Baiboly, mbola io Fanahy Masina io ihany no mihetsika ao anatin’ny Vatana iray feno ny Fanahy Masina, ahetsiky ny Fanahy Masina, ivelan’izay rehetra rafi-pandaminana, fihavanana, ary firenena.

Misy ramatoa iray eto, izay tsy mpiangona ato amintsika. Avy any an-kafa izy, ary tonga eto izao maraina izao; nisy sary teny aminy. Dia nomeny an-janakolahy izay gaga tokoa nahita izany. Tsy fantatro raha naheno resaka mikasika azy io ravehivavy, na tsia. Tsy haiko. Fa ny sarin’ny Anjelin’ny Tompo tamin’ny fanokafana ireo Tombokase fito no teny aminy. Tao anaty nofy aho, hoy izy, raha nitodika ivoho, dia nahita iny zavatra iny teny amin’ny lanitra. Dia nitodika ivoho indray aho, hoy izy, ka nahita olona nitafy akanjo fotsy nandroso taorian’iny zavatra iny. Hoy izy: “Ianao, ranadahy Branham izay olona izay. Nandeha ianao, ary taorianao, dia nisy olona maro nitondra faneva maro samy hafa, amin’ny lokon’i Georgie, Alabama, sy ny an’ny toerana samihafa, ary izy ireo dia niakatra amin’ny toerana avo iray izay hanambarana an’i Kristy ao anatin’ny fahitana.“ Oh, Haleloia! Ao amin’ny andro farany isika, ao amin’ny ora farany amin’ny andro farany.

Hitanareo ve Izy izao ao amin’ny Teniny, ary koa ny Teniny rehetra izay naseho teto anoloantsika? Ry Fiangonan'Andriamanitra velona ô! mitsangàna, minoa Azy amin’izay rehetra ao anatinao. Hazony io kodiara kely afovoan’ny kodiarana io; avelao izy handamina ny hetsikao rehetra sy ny dianao rehetra. Enga anie ny fisainanao rehetra ho voafehin’io Tilikambo ao anatinao io, satria Andriamanitra mitoetra ao amin’ny Teniny voatokana ho an’izao ora izao, ao amin’ny Hazavan’ny hariva, manondro ny firoson’ny Hazavana. 

Akory hy hajamban’ny ramanavy: na handrehitra jiro aza ianareo, tsy ho afaka hanidina izy satria jamba loatra. Ny vorondolo sy ireo biby mpandeha alina rehetra dia tsy afaka mahita amin’ny antoandro. Tsy fantany izany. Tsy mahita izy. 

Ary efa tonga ny Hazavan’ny hariva. Manondro izany ireo fanoharana rehetra, sy izay hita na aiza na aiza alehantsika: eo amin’ny voaàry sy ao amin’ny Baiboly, io sariolona hitan’i Daniela sy ny mpanjaka tamin’ny androny io, izay hitan’ny rehetra, ireo zavatra rehetra ireo, ireo olona rehetra ireo, ny hetsika rehetra, ny fitoerana rehetra ao amin’ny Vatana, izany rehetra izany dia manondro ny tena ora iainantsika izao. Tsy afaka hisy hetsika hitranga intsony aorian’izao. 

Nisy hetsika tamin’ny andron’ny tànana, ny fiantrana, andron’i Wesley. Talohan’izay, nisy hetsiky ny fanorenana tamin’ny andron’i Lotera. Fa, ny andron’ny fiantrana, tsy mbola nisy hetsika lehibe noho izany hatrizay, izay nantsoina “hetsik’i Wesley“. Misionera maro no nirahin’izy ireo nanerana izao-tontolo-izao. Anisan’ny hetsika lehibe indrindra izany, talohan’izao taom-Piangonana izao. 

Ny Pentekotisma no nanaraka; teo dia nisy ireo rantsana maro sy ireo zavatra rehetra ireo. Ny taonan’ny Pentekotista dia taonan’ny lela sy ny orona, ary ireny zavatra rehetra ireny. 

Ankehitriny, dia eo amin’ny maso isika. Inona no ilànareo ny maso, na ny hazavana raha tsy natao ahitana ireo maso ireo? Tsy maintsy misy aloha ny maso, mba ahitana. Rehefa izany, vao nanokatra ireo Tombokase Izy, ary nanambara ny Hazavan’ny hariva, nandray ireo zavamiafina nafenina nandritra ireo taom-piangonana rehetra ireo, ka voambara ankehitriny, araka izay nampanantenainy hatao ao amin’ny Apokalypsy 10:1-7. Dia eto isika ankehitriny, ao anivon’ny Teny, ary ny Teny dia voambaran’i Jesosy Kristy tamintsika. Koa ity dia ny Tenin’Andriamanitra.

Satria olom-peheziny isika, dia tsy maintsy mamindra ankilan’ilay Mpamorona, mba hahalala io Teny io, hanambarany izany amintsika. “Tompo ô, inona no tianao hataoko? Tokony hirotsaka an-tsehatry ny fitorian-teny ve aho? sa tsy maintsy hipetraka an-trano? Tsy mampaninona izay ho ahy. Na tsy maintsy ho mpikarakara tokantrano aho, na ho renim-pianakaviana mendrika aho. Raha tsy maintsy hanao an’izao na izatsy? Na inona na inona izany, raha tokony ho tantsaha aho… Na inona na inona, Tompo ô, inona no tianao hataoko?

Tsy izany ve no hiaka nataon’i Saoly: “Tompo ô, inona no tianao hataoko?“ Teny an-dàlana handeha hampiditra am-ponja ny fiangonana manontolo izy tamin’izay. Kanefa izy nihiaka hoe: “Inona no tianao hataoko?“, rehefa nirehitra ilay Hazavana, toy ny Andry-Afo lehibe, niantona teo amboniny. “Inona no tianao hataoko?“.

Heveriko fa izany dia teny tsara ho famaranana: “Tompo ô, inona no tianao hataoko? Raha hitako tena voambara tokoa ity Soratra Masina ity, Tompo ô, inona no tianao hataoko?

Hanondrika ny lohantsika isika. Izao aho, dia mangataka ny tsirairay mba hijery ny ao am-pony, sy hametraka izao fanontaniana izao: “Tompo ô, inona no tianao hataoko?“ Ary ianareo, hatraiza hatraiza ato amin’ny firenena, izay mbola mifandray an-tariby aminay, manondreha loha ka manontania hoe: “Tompo ô, inona no tianao hataoko? Raha hitanay fa eo amin’ny andro farany izahay izao, ary koa satria ity Teny ity dia voambara taminay tamin’ny fomba mazava tsara sy tsotra, Tompo ô, inona no tianao hataoko?

Andriamanitra malala indrindra ô! raha mametraka izany fanontaniana izany Aminao izy ireo, izaho ihany koa manontany Anao: “Tompo ô, inona no tianao hataoko?“, satria mahatsapa aho fa ny andro tsirairay dia tsy maintsy ho amin’izany. Miangavy Anao aho hitahy ahy, Tompo, mba ho voaisa ho amin’ny Hajanao sy ny Voninahitrao ny andro rehetra iainako.

Mangataka Aminao aho mba hanampy ny olona tsirairay manerana ny firenena, sy ireo tonga ato amin’ny Tabernacle, raha mamantatra ny ao am-ponay izahay miteny hoe: “Tompo ô, inona no tianao hataoko? Inona no mety ataoko, Tompo, mba hampandroso ny Fanjakanao sy ny Raharahanao? Omeo izany, Andriamanitra.

Jereo ny ao am-ponay, ka tsapao izahay.raha misy tsifahamarinana aminay, Tompo, na fitiavantena, na tanjona sy tetika ratsy, Andriamanitra ô, diovy izahay amin’ny Ràn’ny Zanakalahinao, Jesosy Kristy. Ekenay amim-panatrentena ny Fanavotana vitany tamin’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ka rehefa nohamarinina izahay, noho ny finoanay ny nahavitany izany, dia manaiky an-kafaliana ny Drafi-panavotana natolotrao anay.

Ray ô, misaotra Anao izahay noho ny hafatra nomenao androany. Inoanay izany, ary ifikiranay, satria fantatray ary inoanay fa Teninao ary Hafatrao io. Tsy noho izahay te-hiavaka amin’ireo olona hafa, fa kosa mba hiezaka hitovy kokoa amin’i Jesosy-Kristy izay modely ho anay.

Andriamanitra malala ô, indreto misy mosoara, ary eny rehetra eny dia misy olona marary. Na izaho aza Tompo, dia reraka, lany hery izao maraina izao. Mangataka Aminao aho mba hanampy anay, Andriamanitra malala. Mibanjina Anao izahay mba hahazoanay hery. Ianao no herinay. Maro dia maro ireo efa nampianao, Tompo.

Indray andro aho, nitsangatsangana tany an’ala niaraka tamin-drahalahy Banks Wood, ary nieritreritra aho, raha ireo dokotera… Efa ratsy loatra ny toetry ny fony ka sahirana mafy izy rehefa namindra. Tamin’izay aho dia nisaina: akory ny hakelin’ny zavatra fantatro. Teny am-pitsantsganana teny an-tendrombohitra teny, taorian’ny nahazoako iny fahitana iny, dia hoy aho: “Tsy maintsy azoko izany liona izany. tsy maintsy mahita izany maty aho.“ 

Ary rehefa tafidina tao Tucson izahay, tao amin’ny caféteria Furr ao Tucson, ary hitako ireo akanjony nivaroraka, sy ireo masony niondrika, valaka, dia hoy aho: “Andriamanitra ô, raha afaka maneho fahitana misy ny liona iray ianao, azo itokiana fa afaka maneho koa Ianao ny amin-drahalahy Wood.“

Tamin’izay, tonga ilay izy: “Ametraho tànana izy.“ 

Ary ankehitriny, indro izy, ny rahalahinay Banks, feno hery indray, afaka mitety miaka-midina ireto havoana. Akory ny haben’ny fisaoranay Anao, Andriamanitra malala ô. Andriamanitry ny tsirairay aminay Ianao, toy ny maha-Andriamanitr’an-drahalahy Wood Anao. Fantatro fa tia azy Ianao, satria izy dia Mpanomponao, marina sy mahitsy-fo.

Koa, miangavy Anao ao, Andriamanitra malala ô, mba hikarakara ny tsirairay aminay Ianao, hamela ny helokay, hanasitrana ireo halemen’ny vatanay. Ataovy miha-mitovy Aminao hatrany isan’andro izahay, mandra-piditray amin’ny hafenoan’ny toetr’i Jesosy-Kristy. Omeo izany, Tompo. Fantatro fa namantatra ny fo tsirairay Ianao izao, ka hainay izay tokony ataonay. Mangataka Aminao izahay, mba ho tsofinao-rano izao, amin’ny Anaran’i Jesosy.

Ary, raha mbola manondrika ny lohantsika isika ka mivavaka ianareo, moa ve misy eto, na amin’ireo izay mihaino an-tariby manerana ny firenena, te-hanangana fotsiny ny tànany amin’Andriamanitra? Izany ihany no azonareo atao; feno olona eto izao maraina izao. Atsangano fotsiny amin’Andriamanitra ny tànanao dia mitenena hoe: “Andriamanitra ô, ampanahafo kokoa an’i Jesosy aho. Te-hanahaka kokoa an’i Jesosy aho.“ Andriamanitra anie hitahy anareo. Manerana ny firenena, aoka hanangana tànana, eny rehetra eny, ho toy ny mitambatra ho vongana mafy iray. Ny ahy koa dia mitsangana: “Te-hanahaka Azy kokoa aho. Fantaro aho, Tompo, ka zahao izay zavatra ratsy ato anatiko, dia ongoty. Tiako raha…“ Efa ela loatra isika no tetỳ, nefa dia tsy maintsy handeha avokoa, na manan-karena na mahantra, na tanora na antitra. 

Omaly aho, teo amoron’ny sakelidrano iray, terỳ amin’ny tendrombohitra, dia nihaona tamina vondron’olona mahantra iray, ankohonana iray. Ela talohan’izany, dia efa niresaka tamin-dralehilahy mikasika an’Andriamanitra aho. Nidina niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany fito na valo izy tamin’izay. Lehilahy keliray, mahia, izay niezaka niasa, tamina karama roa dolara isan’andro. Ary nisy lehilahy iray namela azy honina tao amin’ny trano kely iray terỳ ambony terỳ. Ary ny vadiny, dia teo am-piandrasana ny fahaterahan’ny zaza iray koa. Ary io vehivavy io dia nampiasa famaky iray lehibe namakiany kitay. Ary, mihazona zazamena iray eo am-balahany iray izy, no sady manosika ireo kitay hidina amin’ny valahany ilany, avy eo manapatapaka ireo kitay mba handrahoany voaroy, ho tehirizina tsy ho noana mandritry ny ririnina. Oh, nankarary fo anay loatra ny nahita azy. Dia lasa izaho sy Rahalahy Wood, naka kamiô, nandeha tany, ary novakinay ny kitainy, dia naterinay. Ary izy teo, vehivavy keliray, feno fankasitrahana. Nampalahelo ahy tokoa izy. Koa, nanohy nivavaka ho azy ireo izahay.

Nihetsika aretina androbe ilay zanany kely. Nandeha tany izahay nivavaka ho an’ilay zaza, dia nositranin’Andriamanitra izy. Ary andro iray hafa, dia voan’ny fipotsahan-tsinay ny vadiny

Noresahako ralehilahy. Mifoka paraky izy, ary ny vadiny koa, toy ny mahazatra ireo mponina eny an-tendrombohitra. Ary nanohy niresaka izany tamin’izy ireo aho. Ary omaly naraina, raha tonga tany aho, teo amin’ny fiposahan’ny masoandro, dia nandroso nanatona ahy izy, ny tànany roa nifamihina, dia hoy izy: “Rahalahy Billy, lehilahy vaovao aho. Farany no nifohako sigara izay, fa nanapa-kevitra hiara-dia amin’ny Tompo aho.“

Hoy koa ravehivavy: “Izaho koa, avy nifoka ny sigarako farany.“ 

Oh; voavoly ilay voa! “Izaho, Tompo, no nanondraka. Ary ho tondrahako andro aman’alina izy, ka tsy hisy hanongotra azy eny an-Tànako.“

Andriamanitra ô, aoka ho be famindram-po Ianao, raha hivavaka aho izao, ka omeo anay izay irin’ny fonay, satria ao anatin’ny fonay, dia te-hanompo Anao izahay Ray ô. Eny rehetra eny izy ireo izao dia eo an-Tànanao. Zanakao izy ireo. Raha hifandahatra aminy Ianao, dia aoka ho amin’ny famindram-po, Tompo; tsy fitsarana, fa famindram-po. Angatahinay izany amin’ny Anaran’i Jesosy. Amena.

Tia Azy ve ianareo? Amin’ny fonareo rehetra… Izao, dia afaka maka ireto mosoara ireto ianareo tompony. 

Ary izao, mikasika ireo fivoriantsika. Mihevitra aho fa azo atomboka aloha kokoa izany, eo amin’ny fito ora eo, na tahaka izany. Ho lazain-drahalahy Neville aminareo ny ora fidirana afaka iray minitra. 

Misy batisa ve izao maraina izao? Vonona ny rano. Raha misy mbola tsy vita batisa amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy Tompontsika, dia vonona ny rano hanaovana izany.

Tiantsika avokoa ireo rahalahintsika mpitoriteny ireo. Hitako eto ny rahalahy… Nanao ahoana ny fivorianareo, Rahalahy Parnell? Eto ny rahalahy Martin, ny rahalahy Lee Vayle, sy ireo maro hafa. Oh, maro be ny mpitoriteny eto. Ankasitrahinay tokoa ny fahatongavanareo, ary miara-miombona aminay manodidina ny Teny.

Mety tsy hitovy hevitra tanteraka amiko ianareo. Tsy mangataka izany aminareo aho. Hitanareo? Ny zavatra iray angatahiko aminareo, dia ny handinika izany. Izay lazainareo dia dinihiko. Raha misy mpitoriteny haka amin’ny horonampeo, nefa hiteny avy eo hoe: “Tsy ankasitrahako izany.“, dia tsy maninona izany rahalahy. Mety ho mpitandrina ondry maromaro ianao, ary mamahana azy amin’ny hanina tianao omena azy

Izaho kosa, dia miezaka, araka izay vitako, ny hitoetra ao amin’ny Teny ho an’ireo izay napetrak’Andriamanitra ho tandremako. Satria ireo ondry ireo dia mila sakafon’ondry, tsy isalasalana. “Ny ondriko mahalala ny Feoko.“ Ary izany no ivelomany, dia ny Teny rehetra mivoaka… Tsy hoe Teny iray fotsiny izao, dia izay, fa ny teny rehetra izay miloaka ny vavan’Andriamanitra. Izany no tokony hiveloman’ireo masina.

Hitsangana isika. Raha manondrika ny lohantsika isika… 

Ary, Rahalahy Neville, misy zavatra tianao ho lazaina ve? Rahalahy Mann? Tsara tokoa izany.

Mahatsiaro tena ho tsara ve ny rehetra? Aoka hanao hoe: “Amena!“ [Mamaly hoe “Amena“ ireo mpivory —Réd]. 

Izao dia hanondrika ny lohantsika isika. 

Hangataka an-drahalahy Lee Vayle aho hankatỳ, raha afaka izy. Raha afaka mankatỳ ianao, Rahalahy Lee Vayle, raha afaka ianao.

Ny rahalahintsika Lee Vayle dia mpanoratra boky. Efa vonona ny boky iray. “Ireo taona fito an’ny Fiangonana“ izany. Ary eo am-panatontosana ny “Tombokase fito“ izy izao. Manantena hahazo izany faingana isika. Tsara tokoa izany, Rahalahy Lee Vayle.

Andriamanitra anie hitahy anareo.