Wolna Misja Ludowa

Jezus Chrystus wczoraj, dzisiaj, ten sam i na wieki.Heb.13.8

Język:

Ny hany boky tokana izay antsoina Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra, ary rariny tokoa izany, dia ny Baiboly. Ary andeha hiaraka handinika Azy isika, amin’ny lafiny mavesa-danja vitsivitsy. Ao aminy irery no ahitantsika, voatantara, ny zavamisy rehetra, hatra tany am-piandohana, manomboka amin’ny famoronana ny tany sy ny lanitra, ka hatramin’ny fiafaran’ny fotoana, ary na ny ankoatra izany aza.